ZAZAVAVY KELY VAO 2 VOLANA MONJA

Nisy nanary, tsy fantatra izay Ray aman-dReniny


  • Talata 18 Febroary 2025

Zazavavy kely iray tombanana ho 2 volana eo ho eo no fantatra fa naterina lehilahy

iray tao amin’ny Borigadin’Ambatolampy efa ho iray volana izay. Nilaza io Rangahy io fa hitany teo ambody kininina tany amin'ny kaominina Ampitatafika hono ilay zaza tsy manan-tsiny rehefa nateriny tao amin’ny zandary. Rehefa nohamarinin'ny zandarimariam-pirenena anefa izany dia tsy mponina any akory io lehilahy io. Ankoatra izay dia tsy nipoitra intsony rehefa nafarana mba hiverina tao amin’ny zandary nony ampitso hitondra ilay zaza hitany any amin'ny Fitsarana misahana ny zaza. Voatery nalefan’ny Fitsarana ambaratonga Voalohany Ambatolampy ao amin’ny Akany Mendrika ilay zaza tsy manan-tsiny vokatr’izany mba ho tezaina mandrapahita ireo nahitany masoandro. Miantso ireo olona very zanaka araka izany ny zandarimariam-pirenena Ambatolampy mva ho avy hanatona azy ireo haingana.
Pati
Legende : Ity ilay zaza tsy manan-tsiny !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT