Zazavavy kely 13 taona

Niatrika ny fitsaràna ny


  • Zoma 31 Jolay 2026

tovolahy iray sakaizany…

Zazavavy kely 13 taona no tonga niatrika ny fitsaràna ny tovolahy iray sakaizany, ny talata teo, teny Anosy, hoy ny fampitàm-baovao voaray. Efa ampy taona io olon-tiany io ary voampanga ho nanodinkodina sy nikasa hanolana azy, hoy ny fanazavàna. Ny septambra 2025 no nitranga izany fandikan-dalàna izany, teny Namontana. Teny Anosibe teny no nifankahitàn'izy roa ka samy raiki-pitia sy lasa niaraka. Mbola 12 taona ilay zazavavy tamin'izany. Nambaran'ilay lehilahy fa nandainga taona taminy hoe 17 taona ilay zazavavy. Nilaza ny rain'io zaza io fa tokony ho any am-piangonana izy tamin'izay, andro tolakandro. Nitebiteby ny tao an-trano satria tsy nody izy. Hay niaraka izy sy ilay tovolahy, nankeny Namontana, misy ny tsenan'ny anabavin'itsy farany. Niara-natory tao ambony rihana izy roa. Ilay lehilahy nilaza fa ilay zaza no nangataka firaisana taminy. Razazavavikely kosa namaly teo anatrehan'ny mpitsara fa ralehilahy no nikasikasika ny fananahany. Nijanona teo ny fakam-panahy. Nalefan'ilay lehilahy nody ilay zaza, nony maraina ny andro. Izy moa nanazava fa tsy afaka nandefa an'io sakaizany io nody ny omalin'io satria efa hariva ka voatery niandry maraina. Ny fitsirihana nataon'ny Dokotera nanamarina fa mbola virijiny ny zaza. Nahazo sazy 2 taona an-tranomaizina sy lamandy 100.000 ariary, sazy mihantona, ilay tovolahy, raha ny voalaza hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT