Trangan-javatra nampitaintaina fatratra ity niseho tetsy Andohatapenaka Boriborintany I teto Antananarivo ny talata 08 jolay lasa teo ity. Raha iny nivoaka ny vavahadin-tsekoly fianarany iny ny tovovavy kely iray vao 9 taona monja dia nobedain’ny lehilahy roa nirijarija avy amin’ny sandriny ilany avy ka notereny hanaraka azy ireo ka tsy afa-nanoatra. Nisy namany iray nivandravandra an’ireto olon-dratsy nahita izany fa norahonan’izy ireo dia lasa ry zareo....
Nentiny nihazo an’iny lalana Vatobe iny ilay zaza ary rehefa tonga tamin’ny toerana iray tany alohaloha tany dia notampenan’izy ireo ny masony ary naidiny tao anaty trano kelikely iray. Rehefa tafiditra tao amin’ilay trano aho, hoy ilay zaza dia norahonan’izy ireo tamin’ny antsy ka nolazaina fa “ho faty tena androany hatao sorona”. Dia niantso an-telefaonina teo ny iray, hoy ny fitantaran’ity zaza ity ka rehefa kelikely dia nilaza tamin’ilay namany hoe : hidio gadana aloha ny trano dia avelao io ao fa miandry ny “patron” dia lasa izy ireo. Nokotrokotrohako mafy ny varavarankely iray, hoy ilay zaza, ka vetivety foana dia nilatsaka ny karetsaka tery ambony ka nivaha ho azy ary nanararaotra nivoaka aho ary rehefa lasa alavidavitra dia nanontany olona ny lalana mankany Andohatapenaka fa tsy tadidiko sy tsy haiko ilay toerana. Nisy nanatitra hatreo amin’ny Vatobe aho dia tonga tany an-trano ihany nitantara tamin’i Dada sy Neny ny zava-nisy. Efa nametraka fitoriana teny amin’ny polisy misahana zaza tsy ampy taona ny ray aman-drenin’ity zaza ity omaly ary naka fepetra niteny tamin’ny tao am-pianarana ny tsy hamoaka ny zanany intsony raha tsy misy maka.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.