Zazavao 4000 isan-taona no ampidirina

Ny 1000 ihany no lasa miaramila raikitra


  • Alarobia 23 Aogositra 2023

Notantosaina tetsy amin’ny Cercle Mess Soanierana omaly talata 22 Aogositra 2023, ny fanokafana ny atrikasa handinihana ny fomba rehetra hanatsarana ny hoavin’ireo

tanora nahavita fanompoam-pirenena, aorian’ny fiatrehana ny raharaha miaramila eo anivon’ny Tafika Malagasy, araka ny fampahafantarana nataon’ny Minisiteran’ny fiarovam-pirenena. Ny Fitaleavana misahana ny Fanompoam-pirenena sy ny Fiandry (DSNGR) eo anivon’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena no mikarakara izany. Araka ny tombana dia betsaka amin’ireo tanora no tsy manana anton’asa hivoarana amin’ny fiainana aorian’ny fanompoam-pirenena. Zazavao miisa 4000 eo ho eo isan-taona no ampidirina hiantseharatra ao anatin’ny tontolo miaramila, saingy 1 000 eo ihany no tena lasa miaramila raikitra. Hisy ny famelarana ny fiaraha-miasa amin’ny fiarahamonim-pirenena sy ireo Minisitera izay voakasika, hahatanteraka ity tetik’asa ity, hoy ny Sekretera Jeneralin'ny Minisiteran'ny Fiarovam-pirenena, nandritra ny lahateniny. Hivoitra ao anatin’ny roa andro araka izany, ny ho tohin’izao atrikasa izao, hahazoana vokatra miabo hampihenana ny tahan’ny tsy fananana asa eto Madagasikara, hoy harany ny fampitam-baovao.
Nangonin’I Toky R

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT