Bevohokana zanaka Patrôn’aomby.
Zanaka sefom-pokontany iray tsy ampy taona,
ary vao afaka fanadinana CEPE no voalaza fa bevohokan’ny tovolahy iray zanaka patron’aomby tany Sambava. Nitaraina ho marary ilay zaza fa hoe misy zavatra mibontsina ao anatin’ny kibony ka, ka nitomany izy. Ilay sefom-pokontany rainy, tsy nahafantatra, ka nihevitra fa voan’ny pesta, izay malaza amin’izao fotoana ny zanany, ka niantso vonjy tany amin’ny dokotera izy. Tsy tahaka ity izany fisehoan’ny pesta izany fa bevohoka ny zanakao ary amin’ny volana janoary no hiteraka izy, hoy kosa ny mpitsabo. Ny zavatra tadidin’ilay zaza fotsiny dia nisy zanaka Patron’aomby avy ao Andrakata-Andapa no avy nanangoly azy tamin ny vola be iray kitapo, ka notambazana 20.000Ar dia voafandriny tokoa amin’ny maha zaza tsy ampy taona azy tsy nahafantatra na tsy nahafehy ny zavatra nataon’izy ireo, fa dia nanaotao foana. Henjana ny zava-misy amin’ny izao satria raha latsaka ny roa volana, hoy ilay patron’aomby dia an’ny zanakay fa raha efa enim-bolana izany dia tsy anay izany. Hitondra ny raharaha ao amin’ny Distrikan’Andapa ny Ray aman-drenin’ilay zazavavikely, raha ny vaovao azo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.