Zazalahy hanala CEPE nangalatra trondro

Nivoaka soa aman-tsara, efa nahazo taratasy fiantsoana


  • Alatsinainy 17 Jona 2024

Efa nivoaka ny fonja soa aman-tsara andro vitsy lasa izay ilay tovolahy kely kilasy

fahadimy tao Antalaha voahendrikendrika ho nangalatra trondro ka nandao ireo namany tany an-tsekoly sy ireo nahitany masoandro tsy fidiny. Efa nahazo ny taratasy fiantsoana na « convocation » hahafahany miatrika ny fanadinam-panjakana CEPE izy rahampitso Talata 18 Jona. Nankasitraka feno ny Fitsarana miahy ny zaza ny Ministry ny Fanabeazam-pirenena manoloana izany no sady niarahana manokana sy mankahery ny ray aman-drenin’ilay zaza koa. Ny Fitsarana moa hoy izy dia natao hiaro ny rehetra indrindra fa ny marefo sy ny kely indrindra. Tsiahivina fa tena tsy nanaiky ny tompon’ilay dobo vaky fa nanitritrika io tovolahy kely io ho namaky ny dobony raha nanamafy kosa ny Ray aman-dRenin’ilay zaza fa tsy nanao izany ny menaky ny ainy. Tapa-bolana teo ho eo izay no nitrangan’ity tranga mampalahelo ity tany Antalaha tany.
Pati
Legende : Trondro tahaka izao no nampidi-doza ilay zaza !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT