Zazakely vao 2 taona monja tsy manan-tsiny no matin’ny daroka ny Raikeliny
izay mitaiza azy tetsy Manarintsoa akaikin’ny sekoly ambony iray. Voalaza fa mitady vola amin’ny alina ny reniny, ary tsy mba mitsabo sy miraharaha an’io zaza io mihintsy sady mamo foana vao tonga an-trano. Indraindray aza, dia 3 andro vao tonga ao an-trano amin’ny hamamoana, hoy ny fitantaraa. Tsy niandry ela, fa taorian’ny fanairana nandeha, dia tra-tehaky ny Polisy ao amin'ny CSP4 tetsy Manarintsoa Atsinana omaly alatsinainy 29 janoary ihany ilay lehilahy namono sy nahafaty ny zanaky ity zanaky ny vadiny ity. Tao aorian'ny fitarainana teto amin'ny tambajotra Facebook mahakasika trangana herisetra mianjady amin'io ankizivavy vao 2 taona monja dia nidina avy hatrany teny Manarintsoa ny Polisy. Fantatra fa niharan'ny vono sy daroka izay ataon'ny raikeliny ity farany ka izao niafara tamin'ny fahafatesany izao, hoy ny tatitra vonjimaikan’ny polisy. Nosamborina avy hatrany ilay raim-pianakaviana ary nentina namonjy ny Kaomisaria . Efa eo am-pelatanan'ny sampan-draharaha miady amin'ny heloka bevava kosa ny raharaha. Hanatra ho an’ny rehetra ny tranga tahaka izao izay mety ho zavatra azo nosorohana, kanefa dia ny zaza tsy manan-tsiny no manefa hatramin’ny ainy vokatry ny fitondran-tenan’ny reny adala sy raikely tsivalahara.
Nangonin’i Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.