ZAZAKELY SEMBANA

Nariana teny an’arabe, noraisin'ny Polisy an-tanana


  • Talata 26 Aogositra 2025

Zazalahy kely manodidina ny 3 taona, manana fahasembanana

no fantatra fa tavela teny amoron'arabe ka novonjen'ny Polisy ny alin'ny 23 Aogositra lasa teo tao an-tampon-tananan'i Mahajanga. Nandritra ny fisafoana mahazatra nataon'ny Polisim-pirenena no nahitana io tsy manan-tsiny io teo anoloan'ny tranoben'ny varotra sy ny indostria. Nentina avy hatrany teny amin’ny hopitaly ilay zaza taorian'izany mba hanaraka fitsaboana. Ny sampan-draharahan'ny Polisy miady amin'ny heloka mamoafady sy miaro ny zaza ary ny olona marefo no mandray an-tanana azy hahafahana mitady sy mikaroka ireo nahitany masoandro na mametraka azy any amin'ny akany. Tsiahivina moa fa anisan'ny antom-pijoroan'ny Ong Congrets ny hiaro ireo olona sy ankizy manana fahasembanana hampitondraina ny tsy eran'ny ainy tahaka izao. Olombelona tahaka antsika ihany mantsy izy ireny ka tsy tokony hahilika na sanatria hatao fitaovana hitadiavam-bola.
Pati
Légende : Ireo tompon'andraikitra teo am-pikarakarana ilay Zaza !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT