ZAZAKELY 18 VOLANA NAOLAN-DRAINY

Nangataka raharaham-pihavanana ny havan’ilay Rangahy


  • Alarobia 12 Jona 2024

Zazavavikely iray vao 18 volana monja no fantatra fa nanamparan-dRainy niteraka azy

ny filan-dratsiny tao amin’ny Fokontany Marofody kaominina ambanivohitra Ambinaninogny,Distrikan'i Brickaville ny Sabotsy 08 Jona lasa teo tokony ho tamin’ny 10 ora maraina. Raha araka ny fantatra dia tsy tao an-trano fa nandeha nitoto vary tany amina tanana iray teo akaiky ny Renin’ity zaza tsy manan-tsiny ity. Niverina tampoka anefa ilay Ramatoa ka mbola tratra teo ambonin’ilay zaza teo am-panaovana ny filan-dratsiny ilay tsy mataho-tody. Norahonan'io lehilahy io ny renin'ilay zaza mba tsy hiteny tamin’iza na tamin’iza no sady nodarohany saingy nanohitra ihany. Afaka nitondra ny ilay menaky ny ainy nitsoaka tany Ambatobe ilay Ramatoa noho izany ary nentiny namonjy CSB2 tao Ambinaninogny ilay zaza avy eo. Nandray ny andraikiny avy hatrany moa ny ,Rtoa Rogation Marie Nicole Ben’ny tanana ao an-toerana raha vantany nahare izany, ka noentina nanohy ny fitsaboana aty Toamasina ilay zaza. Izy ihany koa no nitondra ny raharaha eny amin'ny Mpitandro ny Filaminana ankehitriny. Manao antso avo amin'ny ambaratongam-pahefana ihany koa ny tenany mba hiara-hifanampy amin'ny fikarakarana ilay zaza satria sahirana ny Reniny. Karohin'ny Fokonolona fatratra ny nahavanon-doza izay marihina fa arovan’ny fianakaviany,ary efa nangataka raharaham-pihavanana izy ireo fa tsy nety ny Ramatoa.
Pati
Legende : Ahitana zavatra maro hafahafa eto Brickaville !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT