Zaza voatifitry ny flesy ny masony

Vola 2 tapitrisa vao ampy hitsaboana azy


  • Zoma 22 Septambra 2023

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tany amin’ny distrikan’i Sambava roa volana lasa izay.

Zazalahy kely vao 11 taona monja no voatifitry ny namany tampoka tamin’ny flesy ny masony. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia sendra nipoitra tampoka ity farany raha nilalao tsy nanampo na inona na inona kosa ilay namany. Voa mafy vokatr’izany ny mason’itsy voalohany ka voatery nanatona ny Ray aman-dRenin’ilay nahavanon-doza ny Ray aman-dRenin’ilay lasibatra. Fantatra tamin’izany fa vola 340 000 Ar no natolotr’iretsy voalohany. Efa roa volana anefa izao tsy mbola mety sitrana ihany ilay fery na dia efa manao solomaso fiarovana aza ilay zaza ka niroso tamin’ny fifampidinihana ireo ray aman-dreny roa tonta. Fantatra nandritra izany ary fa mety hahalany 2 tapitrisa Ar ny fitsaboana ny mason'ity zaza ity vao mety hisy fihatsarany. Nanambara anefa ny Ray aman-dRenin’ilay zaza nitifitra tsy nahy fa mety tsy hanana izany izy ireo ka voatery nakarina eny amin'ny zandary ny raharaha. Tsy nisy mihitsy mantsy ny marimaritra iraisana teo amin’ny roa tonta hoy ny vaovao.
Pati
Legende : Voatery manao solomaso fiarovana tahaka izao ilay zaza voatifitry ny flesy ny masony !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT