Zaza voalaza ho namaky dobon-trondro

Any am-ponja no hiandry ny fanadinam-panjakana CEPE


  • Zoma 07 Jona 2024

Zazalahy kely iray ao amin’ny kilasy fahadimy hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE

amin’ny datin’ny 18 Jona ho avy izao no fantatra fa voatery nadoboka am-ponja vonjimaika ny Alarobia 05 Jona lasa teo rehefa voampanga ho namaky dobon’olona feno trondro. Tany amin’ny distrikan’Antalaha no nisehoan’izany tantara izany tamin’ny herinandro . Raha ny vaovao azo dia tsy nanaiky ilay mpitory ary nanizingizina fa ity zazalahy kely ity no namaky ilay dobony. Mitsipaka izany marindrano kosa anefa ny Ray aman-dRenin’ilay voapanga saingy tsy nety fa tsy maintsy natolotra ny Fitsarana ny raharaha. Ranomaso tsy nisy toy izany raha ny vaovao azo no nentin’ilay zaza niditra ny fonja nisaraka tamin’ireo Ray aman-dReniny sy ireo mpiara-mianatra taminy izay fantatra fa tonga nanotrona azy hatramin’ny farany.
Nangonin’i Pati
Legende : Halatra trondro no nampidirana ilay mpiadina hiatrika ny CEPE any am-ponja !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT