Zaza very tany Maintirano

Hita faty tany anaty ranomasina i Luca


  • Talata 03 Septambra 2024

Hita faty afak’omaly alahady 1 septambra tokony ho tamin’ny 10 ora alina ny nofo mangatsiakan’i Luca kely

ilay zazalahy kely vao 8 taona monja nanjavona tany Maintirano tamin’io andro io ihany. Raha tsiahivina kely dia nitsena havana teny amin’ny seranan-tsambo izy sy ny fianakaviany hoy ny vaovao. Tsy hita anefa izy fotoana fohy taorian’izay saingy izao vatana mangatsiakany izao sisa no tafaverina eo am-pelatanan’ny fianakaviany. Nanao kilalao ankiafinafina moa i Luca mandrapahatongan’ny sambo niaraka tamin'ny namany , ka mety tam’izany no ahiahina ho nahalatsaka azy tany anaty rano. Na izany aza tsy nahitana nahitana zavatra hafahafa kosa ny vatana mangatsiakany. Anatra ho antsika Ray aman-dReny ny tranga tahaka izao. Mety sy tsara hatrany mantsy raha arahi-maso ny zaza indrindra amin’ny toerana atahorana tahaka izany toy ny amoron’arabe, ny amoron-drano….Lahitokana mantsy ny aina ary ny mahery tsy maody tsy ela velona.
Pati 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT