ZAZA VERY NA NITSOAKA

Nahatratra 35 ny fitarainana azon’ny polisy 2 volana


  • Talata 26 Martsa 2024

Nahatratra 35 isa ny fitarainana azon’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona

etsy Tsaralalana momba ny zaza very na nitsoaka tonga tao amin’izy ireo tao anatin’ny 2volana. Nanomboka tamin’ny faran’ny volana Desambra taona 2023 izany ka hatramin’ny faran’ny volana Febroary taona 2024 lasa teo. Very 8 isa tamin’izy ireo ka ny 6 no lahy raha vavy ny 2 ambiny izay samy eo anelanelan’ny 10 ka hatramin’ny 15 taona avokoa. Nitsoaka kosa ny 27 isa izay fantatra fa eo anelanelan’ny 10 ka hatramin’ny 15 taona ihany koa. Ankoatra ny olana ao an-tokantrano dia anisan’ny antony mahatonga ny ankizy hitsoaka tahaka izao raha araka ny fanadihadiana natao ny fiarahany amin’ny namany dia tsy mamonjy fodiana avy eo. Raha araka ny fanazavan’ny sefom-pokontany iray moa dia zaza tsy nody indray andro sy indray alina no hatao hoe : very. Ny Fokontany no tokony hatonin’ilay Ray aman-dReny voalohany manoloana ny tranga tahaka izany ka ireto farany indray no miantso amin’ny megaphone sy manaparitaka ny vaovao sao tafandry any amin’ny namany akaiky ilay zaza. Rehefa tsy ahitam-bahaolana izany dia alefa avy hatrany eny anivon’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona ny fitarainana. Pati
Legende : Ny mahagaga dia betsaka noho io isa azo io ny filazana ombay mitady momba ny zaza very etsy sy eroa !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT