Zaza very efa ho isan’andro

Mbola misy Ray aman-dReny manao tandrevaka ihany!


  • Alatsinainy 19 Mey 2025

Manoloana ny zava-mitranga tatoato, resaka zaza very, maty sy ny tariny izay

tena mampihoron-koditra, hoy ny mpanara-baovao iray ny sabotsy teo, nody avy niasa io hariva io aho dia talanjona sy gaga nahita ity ankizivavy kely iray nody avy nianatra. Mandeha irery tsy misy mpaka na mpanatitra izy, hoy izy. Nanontaniako izy dia hoe any an-trano ny reniny moa ny dadany miasa. 5 taona izy. Ny tiana hahatongavana dia indraindray isika ray aman-dreny no fositra hiavian'ny loza. Zazakely 5 taona ve dia avela handeha irery, hoy hatrany ny fanontaniana napetrak’ity mpanara-baovao ity? Tsikaritra ho mbola misy ray aman-dreny mampiana-janaka manao tandrevaka ihany araka izany manoloana ny zava-misy, raha ny fitantaran’ity mpanara-baovao ity ihany! Sanatria adino ve ny ora firavàn’ilay zaza sa tena efa izay mihitsy no fomba itaizana azy?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT