Zaza tsy taona mivaro-tena sy misotro toaka

Natao savahao ny hotely sy Karaoke tao Toliara


  • Alakamisy 08 Febroary 2024

Toeram-pisotroana sy hotely fandraisam-bahiny ary karaoke maro no

nanaovanan’ny polisim-pirenena fidinana ifotony omaly tao an-drenivohitr’i Toliara. Ho fanaraha-maso sy ho fisorohana ny fandehanan'ireo zaza latsaky ny 18 taona amin’ ireny toerana ireny izay marihina fa tena mahazo vahana ao Toliara ao no tanjona. Ho an’ny trano fandraisam-bahiny manokana dia fantatra fa mbola maro ireo tovovavy tsy ampy taona tonga mivaro-tena any amin’izy ireny, entin’ireo vazaha sy mpanam-bola. Toraka izany koa ny karaoke. Tafiditra ao anatin'ny paikady entin'ireo polisy misahana ny zaza tsy ampy taona sy ho fiarovana ny zaza amam-behivavy miady amin’ny herisetra sy fanararaotana atao amin’ ireo olona marefo ny hetsika tahaka izao. Amin’ny ankapobeny mantsy dia saika any amin’ireny toerana ireny no miafina ireo mpanolana sy mpangalatra ary mpamaky trano ka rehefa tonga ny ora fivoahany dia mivoaka izy ireny, indrindra fa ny bara.
Pati
Legende : Mbola hitohy ny hetsika hataon’ireo polisim-pirenena !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT