ZAZA TSY HITA TAO FOULPOINTE

Tezitra ny vahoaka, raikitra ny sakoroka


  • Zoma 31 Janoary 2025

Raikitra ny sakoroka omaly Alakamisy 30 Janoary folakandro tany Foulpointe Toamasina.

Leo ny tsy fahitana ilay zaza iray vao 14 taona monja voalaza ho nampiasaina Rangahy iray tompon’andraikitry ny depôt de medicaments any an-toerana mantsy ny mponina. Raha tsiahivina kely ny tantara dia efa ho herinandro izao io zaza io no tsy hita. Nilaza ilay Rangahy mpampiasa azy nandritra izany rehefa nampandre ny Ray aman-dReniny fa very vola 4 tapitrisa Ar izy ka io zaza io no nambarany ho naka ilay vola ary lasa nitsoaka. Sorena vokatr’izany ny fokonolona ka tonga nilanja sora-baventy teo amin’ny trano misy ilay Rangahy mpampiasa omaly folakandro. Tsy nijanona teo ny raharaha hoy ny vaovao fa nitohy tamin’ny fanimban-javatra mba hivoahan’ny tena marina. Andrasana araka izany izay mety ho tohin’ity raharaha fahaverezan-jaza tao Foulpointe ity.
Pati
Legende : Tahaka izao no firodorodon’ireo vahoaka tao Foulpointe omaly folakandro !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT