ZAZA TSY AMPY TAONA VOAFONJA

Mitontaly 600 isa manerana ny Nosy


  • Alakamisy 20 Jona 2024

Mahatratra 600 isa amin’izao ireo zaza tsy ampy taona voafonja manefa ny saziny manerana ny Nosy,

raha araka ny antontan’isa avy amin’ny Ministeran’ny Fitsarana, tarihin’ny Ministra mitahiry ny fitombokasem-panjakana Landy Randriamanantenasoa. Ankoatra ny halatra madinidinika sy ny resaka fifamonoana dia misy koa ireo nangalatra omby toy ny any amin’ny faritra, nahafaty ny olona akaiky azy noho ny fihetsem-po diso tafahoatra… Nisongadina izany nandritra ilay atrikasa mandritra ny 3 andro tanterahin’ireo mpitsara rehetra manerana an’i Madagasikara izay miandraikitra ny fitsarana ny ankizy tsy ampy taona, vatsian’ny UNICEF vola. Tanjona amin’ny fihaonana moa ny hampitoviana sy hanatsarana ny fomba fiasan’ny tsirairay avy manoloana ny fandraisana an-tanana ny antontan-taratasin’ireo zaza tsy ampy taona nanao heloka na niharamboina. Tsy latsa-danja amin’izany ny fampiharana ireo fifanarahana iraisam-pirenena nankatoavin’i Madagasikara izay hampahafantarina ireo mpitsara marobe mandray anjara. Tsiahivina moa fa mitady vahaolana ny amin’ny hampihenana ny isan’ireo ankizy latsaky ny 18 taona mipetraka eny amin’ny toeram-pamonjana koa izy ireo. Ny hamindrana ireto farany eny amin’ny Akany sy toeram-panabeazana no tanjona hahafahany manovo fahalalana hiatrehany ny ho aviny no sady hamitany ny saziny ihany koa.
Pati
Legende : Rtoa Ministry ny Fitsarana, Landy Randriamanantenasoa !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT