ZAZA TSY AMPY TAONA

MANAMBADY 30% raha kely manerana ny Nosy


  • Alakamisy 26 Febroary 2026

30 % raha kely indrindra ny tahan'ireo

ankizy tsy ampy taona miditra eo amin'ny sehatry ny fanambadiana, manerana ny Nosy raha araka ny tatitra nataon'ny fikambanana iray miahy ny vehivavy sy ny ankizy. Any amin'ny Faritra Atsimo Andrefana no tena maro an'isa amin'izy ireo. Ny 60%-n'ireo zazavavy kely any amin'ity Faritra iray ity dia miaina izany avokoa izay eo anelanelan'ny 11 ka hatramin'ny 13 taona. Lehilahy lehibe avokoa no manambady azy ireny raha araka ny vaovao azo. Misy ireo efa maty na nisara-bady. Antony mahatonga izany ny tsy fahampian'ny fianarana azon'ny mponina sy ireo ankizy, raha araka ny fanadihadiana nataon'ity fikambanana iray ity hatrany. Toraka izany koa ny kolontsaina izay ireo Ray aman-dReny mihitsy no manolotra ny zanany hovadian'ireo lehilahy lehibe, toe-tsaina tena mamohehitra, arahin'ny fahasahiranana ateraky ny hasarotan'ny fiainana. Ny tena mampalahelo amin'ity tranga ity raha araka ny tatitra nataon'io fikambanana iray io hatrany dia ny fitantanan'ireo ankizy kely ireo ny tokantranony. Tsy mbola vonona tsara akory ny vatana sy ny saina dia efa Reny. Manampy trotraka izany ny hamaroan'ny isan'ny zaza ateraka izay saika.isan-taona. Fantatra moa fa anisan'ny miteraka ny aretina mamany lava eo amin'ny vehivavy ny hasarotan'ny fiterahana atrehiny indrindra fa ho.an'ireo ankizivavy kely mbola tsy tomombana ara-batana.

Pati
Légende : Mbola tokony hianatra saingy efa miditra eo amin'ny sehatry ny fanambadiana sahady ireo ankizy sasany !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT