ZAZA SEMBANA NOVONOINA

Ny Rainy ihany no namono azy ?


  • Alakamisy 07 Septambra 2023

Zazalahy kely iray vao 9 taona monja, fantatra fa sembana no nisy namono ka nafatrany tao anaty gony ny vatana

mangatsiakany avy eo, izay efa nibontsina sy nisy ra nivoaka. Tany Sambava no nisehoan’ity tranga mampalahelo ity omaly. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia novonoina, nasesika tao anatiny gony ary nalatsaka tao an-davadrano ilay zaza nandritra izany mba ho faty soa aman-tsara. Tombanana no mety efa ora na andro mihitsy no namonoana ity zaza ity saingy omaly vao hita ny vatana mangatsiakany rehefa nahatsikaritra zavatra hafahafa ny manodidina. Nanjavona tsy hita moa ny Rain’ity zaza ity izay ahiahiana ho nahavanon-doza. Efa eo am-pikarohana azy moa ny mpitandro ny filaninana koa andrasana izay mety ho tohin’ny raharaha.
Nangonin’i Pati
Legende : Tahaka izao no namoretan’ilay tsy mataho-tody ilay zaza tao anaty gony !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT