Actualités

Zaza sembana novetavetana Nidoboka am-ponja ny reniny sy ny raikeliny


  • Alarobia 15 Febroary 2023

Zazavavy kely vao 16 taona monja sembana ara-batana sy ara-tsaina no bevohokan-draikeliny ka teraka teny amin'ny toeram-pitsaboana iray tao Sainte-Marie.

Raha araka ny fantatra dia tsy mba nokarakarain-dReniny tsara ity zazavavy kely ity fa navelany irery ary natokany monina tao amina efitrano iray tao an-tranony. Niaraka tamina lehilahy hafa izy taty aoriana ka niara-nipetraka taminy ihany koa io lehilahy io. Noho ny filan-dratsin’ity farany diso tafahoatra anefa dia bevohokany ilay zaza ary izao teraka soa amantsara izao. Nanaitra ny Polisy ity tranga ity ka natao ny fanadihadiana ary nosamborina izy mivady. Natolotra ny fitsarana izy roa ireto ary naiditra am-ponja vonjimaika ao amin'ny fonjan'ny Fenerive-Est. Nalefa eny amin'ny Akany mpitaiza zaza kamboty kosa ilay zazavavy sembana sy ilay zanany vao teraka.
Pati
Legende : Ireto izy mivady nahavanon-doza
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT