ZAZA RAMANDIMBIARISON

« Tandremo ny fampisaraham-bazana


  • Talata 14 Aprily 2026

antsika fa ny hafa no mahazo tombony»

Tokony hifantoka amin’ny fanavaozana ny fanjakana sy tena fanapariaham-pahefana isika, fa tsy hifanditra amin’ny fizarazarana eo amin’ny samy Malagasy izay volen’ny hafa hitsinjovany ny tombotsoany, hoy ny fanehoan-kevitr’i Zaza Ramamdimbiarison izay efa praiminisitra lefitra teo aloha.

AZA DISO FAHAVALO
Miverina indray mantsy ny resaka “fisaraham-bazana” hoe “Merina sy Côtier” eny amin’ny tambajotra sosialy, hoy izy . Re koa izany eny amin’ny resaka eny amin’ny rehetra ireny ary indraindray aza dia any anatin’ny biraom-panjakana. Tandremo anefa, aza diso fahavalo isika hoy izy fa io fisarahana io dia efa nanimba ary mety manimba mafy mafy koakoa ny firaisam-pirenena, sady mampiala ny saintsika amin’ny tena olana lehibe: ny fitantanana ny firenena sy ny fampandrosoana ho any Malagasy rehetra. Ao anatin’izany rehetra izany dia misy ireo mpisehatra ara-toekarena avy amin’ny fiaviana samihafa, toy ireo teratany Karana sy vahiny, nahazo tombony be tamin’ity fisarahana ity sy ny fahalemena ara-drafitra izay nisy nandritra ny taona maro ity hoy i Zaza Ramandimbiarison. Ny vokany dia hitam-poko hitam-pirenena: ireo olona ireo dia lasa manankarena hatrany, ny zanany mahazo fianarana tsara, ary noho ny herin’ny vola eo am-pelatanany dia vao mainka mitombo ny fifehezany ny olom-panjakana hiaro ny tombontsoany, hoy izy.
FOMBA FISAINANA TALOHA
Noho izany, mila ajanona ity poizina ity : ny fifandirana hoe “Merina sy Côtier”. Fomba fisainana navelan’ny tantara taloha sy ny vanim-potoanan’ny fanjanahantany izy io, nampiasaina hifehezana sy hizarazara ny Malagasy, hoy ny fampatsiahivany. Raha variana amin’ny adin’ny samy Malagasy, dia tadidio fa ny hafa no mandray tombony, aary min’izao taonjato faha-21 izao, tsy tokony ho resaka foko na faritra intsony ny adihevitra momba ny fahefana eto Madagasikara, ary aza adino ny zavatra hita nisy sy marina: misy olona avy amin’ny faritra rehetra foana teto Madagasikara tao amin’ny andrim-panjakana hatramin’ny nahazoana ny fahaleovantena: Filoham-pirenena, Praiminisitra, Antenimiera, Sénat, HCC, Sekretera jeneraly, Tale jeneraly, lehiben’ny sampan-draharaha, mpitsara, sy ny maro hafa, hoy i Zaza Ramandimbiarison. Ny tena olana, hoy izy dia rafitra: hatramin’ny nahazoana fahaleovantena dia mifantoka be loatra ao Antananarivo ny fitondrana ka tokony amboarina io ary azo amboarina tsara amin’ny alalan’ny fanapariaham-pahefana, hoy izy.
Nangonin’i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • Gérard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • Fiaraha-miasa
  • Zoma 17 Aprily 2026

MEDD-Durrell Madagascar Hampiasa “drones”

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT