Zaza Ramandimbiarison

«Olana ara-panabeazana no


  • Talata 06 Janoary 2026

tena sakana amin’ny fampandrosoana»

Miditra amin’ny fotoan-dehibe i Madagasikara, fotoanan’ny fanorenana indray ny Firenena, hoy ny praiminisitra teo aloha, Zaza Ramandimbiarison. Hiditra amin’ny Repoblika Fahadimy isika, hoy ny Filohan’ny fanavaozana ny repoblikan’i Madagasikara, hoy izy. Tsy azo atsangana amin’ny fanavaozana rafitra sy teny fikasàna fotsiny anefa izany fa tsy maintsy miainga amin’ny mahaolona ny olompirenena tsirairay. Tsy latsaka soatoavina na finiavana ny malagasy. Tahaka ny vahoaka rehetra manerantany, fehezin’ny filàna fototra miisa 5 isika dia ny mihinana, nefa «Izay mihinana androany tsy mihevitra rahampitso, noana rahatrizay.». Faharoa, miteraka sy hiterahana fa «Ny vatana no maniry fa ny saina no tokony hibaiko!». Fahatelo, manana toerana eo amin’ny fiarahamonina ka tsarovy fa «Tsy ny akanjo no mahaolona fa ny toetra!». Fahaefatra, mitsitsy hery, na ny hakamoana no mibaiko, nefa «Ny asa no mahaolona!» ary mitady vaovao hahafahana mamaly ireo filàna ireo sy hahavelona tena saingy «rehefa diso na tsy ampy izany vaovao izany dia mora tantanana ny olona fa tsy azo ampandrosoina». Ny tena fanamby dia rehefa tsy avadika ho hery mampandroso ireo filàna dimy maha olombelona ireo. Eo indrindra no maha-zava-dehibe ny fanabeazana. Ny fanabeazana irery no afaka manova ny hanoanana ho famokarana, ny filàna ho andraikitra, ny fitadiavana sata ho fitarihana mahasoa ary ny vaovao ho fahalalana. Raha tsy misy fanabeazana dia velona fotsiny ny olona. Miaraka amin’ny fanabeazana dia mandroso izy. Tsy olana ara-moraly fa olana ara-panabeazana no tena sakana amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Ny fanabeazana no lova tsara indrindra azo atolotra ny taranaka hoavy. Ny fanorenana indray ny Firenena dia tsy mitaky fanerena jadona fa fanabeazana matanjaka, fahatakarana iombonana ary fandraisana andraikitra. Tsy ny hery no manova ny tantaran’ny firenentsika fa ny fahendrena ambolena ao an-tsaina sy ao am-po, ho an’ny malagasy sy ny taranaka fara mandimby, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Faminaniana vaovaon'i Pr Mailhol
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Amin'ny 2030

  • Fampandrosoana miainga
  • Zoma 24 Aprily 2026

amin’ny famokàrana Nampiharin’ny mpanjanaka

  • Tany eto madagasikara
  • Zoma 24 Aprily 2026

Hofoanana ny tany colons,

  • Business day
  • Zoma 24 Aprily 2026

andiany voalohany

  • NY TENA FIAINAN-DRAMALAGASY
  • Zoma 24 Aprily 2026

MARIO mpitondra lakana

Hijery ny tohiny
FTT