ZAZA RAMANDIMBIARISON

"Misy ve ny fampiasana ny lalàna ho fitaovana fitazonana fahefana ?"


  • Alatsinainy 23 Jona 2025

Andro vitsy mialohan’ny fankalazana ny fetin’ny Fahaleovantena ny 26 jona,

dia manjavona ny hafaliana eto Madagasikara, hoy ny fanehoan-kevitr'i Zaza Ramandimiarison. Mitondra enta-mavesatra amin’ny toe-tsain’ny mponina ny toe-draharaha ara-toekarena sy ara-politika ankehitriny. Efa tsy dia miraharaha intsony ny ankamaroan’ny tokantrano amin’ny fametrahana ny sainam-pirenena izay fahita matetika amin’izao fotoana izao, hoy izy.
ATAO FITAOVANA POLITIKA NY LALÀNA
Maro amin’ny vahoaka no maneho tsy firaharahiana lalina, ary ny sasany aza dia mitaraina mihitsy noho ny fahadisoam-panantenana lalina, hoy i Zaza Ramandimiarison. Ity toe-javatra mampisalasala ity dia mifandray akaiky amin’ny ahiahy mihamitombo manoloana ny fandehan’ny “democratie” eto amin’ny firenena, raha ny fahitany azy. Efa am-bolana maromaro izay, hoy ity tompon'andraikim-pa jakana ambony teo aloha ity no miseho tsikelikely ny ahiahy amin’ny fivilian’ny rafitra demokratika eto Madagasikara. Maro ireo manampahaizana sy mpiara-misera amin’ny fiainam-pirenena no manamarika fa mitombo hatrany ny fiezahan’ny mpitondra hampiasa ny lalàna ho fitaovana entina mitazona sy manamafy fahefana, nefa koa hanilihana sy hanakanana ny fanoherana.Lalàna namboarina ho an’ny tombotsoan’ny fitondrana ?
LALÀNA MAMPIERITRERITRA
Nandritra izay taona vitsivitsy izay dia nisy lalàna vaovao maro nolaniana, ary nahatonga fanontaniana teo amin’ny fiarahamonim-pirenena, hoy i Zaza Ramandimiarison. Voamarika fa mitongilana amin’ny tombotsoan’ny mpitondra ankehitriny ny votoatin’ireo lalàna, indrindra amin’ny sehatry ny fifidianana, ny rafi-panjakana ary ny antoko politika.Maro no matahotra fa mety ho dingana mankany amin’ny fanovana ny Lalàmpanorenana, indrindra mikasika ny fahafahana mitazona ny fahefana amin’ny alalan’ny fanitarana ny fe-potoana filoham-pirenena izany hoy izy.
SARINTSARINA DEMOKRASIA ?
Maro amin’ireo mpandinika no mihevitra, hoy i Zaza Ramandimiarison fa mihetsiketsika anaty fahanginana ny fiviliana amin’ny lalàna demokratika. Na mbola miseho ho manaraka lalàna aza ny rafitra, dia miharihary ny fiezahana hifehy sy hanongilanana ny fahefana amin’ny alalan’ny fanovana na fampiharana lalàna amin’ny fomba manokana, hoy izy.Niharan’ny fitsikerana koa ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, izay toa very ny fahaleovantenany araka ny fanehoan-kevitra avy amin’ny fiarahamonim-pirenena. Io no miteraka fahaverezan’ny fitokisana amin’ny rafitra politika sy ara-pitsarana eto amin’ny firenena.Fotoana iantefan’ny adihevitra ifotonyRaha ampiasaina ho fitaovana politika ny lalàna, dia ho tandindomin-doza ny fahamarinan-toeran’ny rafi-panjakana sy ny rariny. Tsy dia mijanona amin’ny fifehezana ara-politika fotsiny intsony ny olana, fa mihatra amin’ny soatoavina fototra iorenan’ny demokrasia. Manoloana izany, ilaina ny manamafy ny fahaleovantenan’ny fitsarana, ny fifandanjan’ny fahefana, ary indrindra ny fanaovana adihevitra ifotony momba ny hoavin’ny demokrasia malagasy. Satria tsy ny fifidianana ho avy ihany no atahorana, fa ny hoavin’ny firenena sy ny fanjakana mihitsy, raha ny soso-keviyr'i Zaza Ramandimbiarison.
Nangonin'i RTT 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT