Zaza Ramandimbiarison

«Aoka ny fitiavan-tanindrazana


  • Talata 31 Martsa 2026

tsy ho teny fotsiny!»

Aoka ny fitiavan-tanindrazana tsy ho teny fotsiny, hoy ny praiminisitra teo aloha, Zaza Ramandimbiarison, fa ho asa sy fanapahan-kevitra hendry sy marina tsy mitongilana! Hanompo ny firenena, hiady amin’ny tsy rariny, hanangana Madagasikara mendrika ny sorona nataon’ireo razantsika, hoy izy. Ny 29 martsa 1947 dia daty iray tsy azo hadinoina ho an’ny malagasy. Andro fahatsiarovana ny tolona sy ny fahafoizan-tenan’ireo razantsika ho an’ny fahafahana sy ny hasin’ny firenena. Tsy tokony hijanona ho fahatsiarovana fotsiny izany fa tokony ho fotoana iray hanontaniantsika tena hoe inona no tena dikan’ny fitiavan-tanindrazana ankehitriny? Amin’izao fotoan-tsarotra iainan’ny firenena izao dia hita fa tsy ampy ny fanovàna lalàna sy rafitra fotsiny. Mila fanovàna toetsaina sy soatoavina koa isika. Asa sy andraikitra fa tsy teny fotsiny ny fitiavan-tanindrazana marina. Midika izany fa ny tombontsoan’ny firenena sy ny vahoaka no apetraka ambony noho ny tombontsoa manokana. Mampalahelo fa matetika ny mpitondra dia voafehin’ireo manam-bola ka mahatonga ny 80% mahery amin’ny malagasy ho mahantra. Ny fitiavan-tanindrazana marina dia miseho amin’ny fanajàna ny mahaolona rehetra, fikatsahana ny rariny sy ny fahamarinana, fahavononana hanompo ny firenena amin’ny fahitsiana ary mijery ny tombotsoan’ny malagasy tsy an-kanavaka. Tsy mifanaraka amin’izany velively ny kolikoly sy fanararaotam-pahefana, fitiavan-tena sy fizarazaràna, fitondràna tsy miraharaha ny vahoaka. Raha tena tia tanindrazana isika dia tsy afaka mijery fotsiny ny olana misy fa tsy maintsy mandray andraikitra na mpitondra na olompirenena. Ny fahefàna dia tsy tokony ho fitaovana hanjakazakàna fa tokony ho fanompoana ny firenena. Ny firenena maharitra dia miorina amin’ny fahamarinana, ny fitokisana ary ny firaisankina. Ireo rehetra ireo dia vokatr’ilay fitiavan-tanindrazana tena izy, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • Gérard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • Fiaraha-miasa
  • Zoma 17 Aprily 2026

MEDD-Durrell Madagascar Hampiasa “drones”

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT