ZAZA NATERAKA NOTSATOHANA TAMIN’NY HETY

Nalefa any Tsiafahy ilay Raikely, etsy Antanimora ilay Reny


  • Zoma 20 Jona 2025

Tapitra ny tantaram-pitiavan’ilay Raikely sy Reny niteraka nahavita saika

hanapitra ny ain’i Josoakely ka nanindrona ny tendany tamin’ny hety. Nalefan’ny Fitsarana eny Tsiafahy mantsy ilay lehilahy raha eny Antanimora kosa ilay vehivavy. Raha tsiahivina kely ny tantara dia vokatry ny fitiavan-dRamatoa io Rangahy vadiny io no nanosika azy hamono an-janany. Diso naneligelina ity farany loatra mantsy ny fisian’i Josoa izay tsy zanany naterany ka nambarany fa nandrombaka ny fitiavana tokony omen’ilay Ramatoa azy. Nanomboka teo ny teti-dratsin’izy roa saingy samy manana ny anjarany moa ny olombelona. Nisy nahare ny hiakiakan’i Josoakely rehefa narian’izy ireo tany anaty kirihitra teny Ambohimalaza ka nanomboka teo ny famonjena ny ainy sy ny fikarohana ireo nahitany masoandro. Anatra ho an’ny vehivavy efa niteraka talohan’ny fanambadiana ka mitondra zaza any an-tranon-dRaikely ity tranga ity.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy roa nanantena fitiavana mamy saingy nosarahin’ny fonja !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT