Zaza menavava iray omaly no fantatra fa narian-dReniny tany an-gabone tao Anosy Avaratra,
distrikan’Antananarivo Avaradrano. Olona nahare ny hikiaka sy ny ranomason’io zaza io no nampandre ny zandary sy ny sefom-pokontany ary ny dokotera avy ao amin'ny CHRD Anosy Avaratra ka nidina ifotony avy hatrany ireto farany. Hita tao anaty lava-piringa tokoa ilay zaza ary nentina avy hatrany namonjy toeram-pitsaboana ka avotra soa aman-tsara ny ainy. Ny famotorana natao kosa no nahafantarana ny renin'io zaza io izay tsy afaka nandà intsony satria mbola tratra tao aminy ny ahitra nitoeran'ilay zaza sy ireo lamba sy akanjo maro feno ra nampiasainy nandritra ny fiterahany tao an-trano. Tsy te-hitaiza ilay zaza izy raha ny nambarany, hoy ny vaovao. Misy ireo olona telo hafa ahiahiana ho mpiray tsikombakomba taminy tamin'izao raharaha izao izay mbola hanaovana fanadihadiana ihany koa. Manaraka fitsaboana moa ity vehivavy ity sy ilay zaza menavava amin'izao fotoana izao. Manodidina ny 20 taona mahery ilay Reny, hoy ny vaovao. Tsiahivina fa mampigadra ny tranga toy izao na dia Reny niteraka aza ilay nahavanon-doza noho izy famonoana olona.
Pati
Legende : Ity ilay Reny nahavanon-doza sy ilay zaza tsy manan-tsiny !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.