ZAZA NAPETRAKA TAO AMBANY FIARA

Nomen-dReniny olona sao hovonoin-dRainy ?


  • Alakamisy 11 Jolay 2024

Zaza menavava kely vao teraka herinandro no nisy nametraka tao ambanin’ny fiaran’ny

Pasteran’ny fiangonana Advantista ao Bealanana afak’omaly Talata 09 Jolay alina. Ny feon’ity zaza ity efa reraky ny hatsiaka no nanaitra ny Pastera ka nivoaka izy tokony ho tamin’ny 08 ora alina nijery ny zava-misy. Taitra mafy anefa izy nandritra izany nahita ilay zazakely tsy manan-tsiny niaraka tamin’ny taratasy, ary nilaza ho Reny niteraka ilay zaza ilay nanoratra. Nambaran’ity farany tao anatin’ilay taratasy fa manana olana izy. Karazan’irony mpanompo sampy irony mantsy ilay Rain-janany ka tsy avelan’ity farany entina mivavaka ilay zaza. Mitonona ho mpivavaka anefa ilay Reniny ka matahotra ny mety hifofoan-dRainy ny ain’io zaza io, antony nanaterany azy tao ambany fiaran’ny Pastera. Nantsoina nijery ity tranga mampalahelo ity avokoa moa ny polisim-pirenena, miaramila sy ny avy ao amin'ny Kaominina Bealanana…. Tonga avokoa izy ireo ary nandray antanana ity raharaha ity.Avy hatrany dia nanolotra lamba sy sakafo ho an’ilay zaza ny avy ao amin'ny kaominina raha noraisin'ny Pasitera an-tanana kosa ny fikarakarana ilay zaza hatramin’ny omaly nahazoanay ny vaovao avy any an-toerana.
Pati
Legende : Vao teraka herinandro monja ity zaza ity !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT