Actualités

Zaza nalaina an-keriny Sady nodorana no nampihinanana maloto


  • Alakamisy 07 Aogositra 2014

Habibiana tsy misy toy ity. Amin’izay ankizy no niharany. Nalaina an-keriny izy ireo. Sady nodorana no nampihinanina maloto tany amin’ny toerana nitazonan’ireo mpaka ankeriny azy, araka ny fijoroana vavolombelona nataon’ireo zaza ireo.

Eni-mianaka, fianakaviana iray, no nisy naka an-keriny tao Andilamena tamin’ny 7 jolay 2014. Zaza manodidina ny enin-taona ny dimy tamin’izy ireo ary renim-pianakaviana ny iray. Afa-nitsoaka nanararaotra ny tsy nahateo an-toerana ireo mpaka an-keriny ilay ramatoa. Tafaporitsaka ny faran’ny volana teo koa ny zazalahy kely iray. Miaramila no nahita azy tany amin’ny 15 km miala an’Andilamena. Ireo miaramila ireo indray no nampita ny raharaha tamin’ny zandary, izay nanohy ny fikarohana. Hita tamin’ny 31 jolay teo ireo zaza efatra mbola teo ampelan-tanan’ireo mpaka an-keriny. Niharan’ny fampijaliana izy ireo. Maratra vaky loha ny sasany, nisy nodorana ny fitombenany. Nafindrafindra toerana matetika izy ireo, ka tany amin’ny tanàna atao hoe Ambatofotsy, 35km miala an’Andilamena no nahitana azy ireo. Voasambotra ireo nitazona an-keriny azy ireo. Efatra izy ireo, nentina ao Andilamena. Saika hatao inona ireto zaza ireto ? Ny tohin’ny fanadihadiana no hamantarana izany.

 Hatramin’ny 02 aogositra teo dia nanao fihetsiketsehana nanoloana ny “Résidence” lehiben’ny Distrika ny vahoaka sady mitondra sora-bavety mitaky ny marina manoloana izao raharaha izao.Voasokajy ho “faritra mena» iny distrikan'Andilamena iny. Raha ny halatra omby no nalaza taloha dia niitatra amin’ny vaky fasana sy halatra taolam-paty ary izao indray lasa halatra olona.Manaitra ny manampahefanamba hijery akaiky ity tranga ity ny vahoaka any Andilamena, toa manamarina ilay resaka ny amin’ny fisian’ny halatr’olona amina faritra maro eto Madagasikara izao zava-misy any Alaotra izao ary tena tokony ho hentitra ny  fitondram-panjakana amin’ny fepetra tsy maintsy ho raisina.Rariny sy hitsiny ihany koa , aorian’ny fanadihadiana atao amin’ireo mpaka an-keriny raha ampahafantarina ny besinimaro hoe : angalarina dia atao inona marina moa ireto zaza ireto.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT