Zaza mitsoaka an-daharana an-tsekoly

Ahiana hitombo avo roa heny noho ny fahasahiranana


  • Zoma 01 Septambra 2023

Nahatratra 64% ny tahan’ny fitsoahan’ny mpianatra an-daharana an-tsekoly tamin’ny taona 2020 noho ny

fahasahiranan’ny Ray aman-dReny sy ny fidangan’ny vidim-piainana. Ahiana mbola hitombobe io salan’isa io ankehitriny noho ny fiakaran’ny vidim-piainana hatrany. Raha araka ny fanadihadiana natao mantsy ho an’ireo Ray aman-dReny mampiana-janaka manovo fahalalana eny anivon’ny sekolim-panjakana dia ireo madinika ihany sisa no tsy maintsy hampianarina. Ho an’ireo efa lehibe nahazo ny mari-pahaizana BEPC ohatra dia tsy maintsy hajanona izy ireny, ho an’ireo manana iraitampo mihoatra ny telo. Tsy mijanona fotsiny ihany fa tsy maintsy mitady asa ihany koa mba hampitomboana ny vola miditra ao an-tokantrano. Ho an’ireo tsy manan-janaka afa-tsy iray na roa kosa sisa nefa afaka BEPC farany dia tsy vitsy ireo mandeha mitalaho mba hahafahan’ny lisea mandray azy ireny hialana amin’ny fandoavana saram-pianarana. Ho an’ireo kaominina manodidina izany moa dia saika mitaraina avokoa ireo Ben’ny tanana fa mitombo avo telo heny ireo Ray aman-dReny tonga mangataka fanampiana ho an’ny fidiran’ny mpianatra….Tsiahivina moa fa efa tena mamay ny vidin’ny fitaovam-pianarana eny amin’ny pavillon Analakely amin’izao fiandohan’ny volana Septambra izao. Misy mahatratra hatrany amin’ny 15.000 Ar ny iray fonosana amin’ny crayon miloko…
Pati
Legende : Tsy vitan’ny Ray aman-dReny intsony ny vidin’ny fitaovam-pianarana eny an-tsena !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT