Zaza menavava nisy nanary tao Sambava

Mbola tsy fantatra izay Ray aman-dReniny


  • Alatsinainy 12 Aogositra 2024

Mbola tazonin’ny tompon’andraikitra ao amin’ny Fokontany Analamaho,

distrikan’i Sambava hatramin’ny omaly Alahady 11 Aogositra ilay zazavavy kely menavava tombanana ho iray volana mahery nisy nanary tany an-toerana afak’omaly Sabotsy 10 Aogositra tokony ho tamin’ny 04 ora maraina. Raha tsiahivina kely ny tantara dia mpandalo tao amin’io tanana io no naheno feon-javatra, toa zaza mitomany. Ny andro anefa mbola maizina, ka samy nikoropaka izy ireo sao sanatria lolo vokatra izany. Na izany aza niara-nandeha nijery ilay toerana nandrenesana ny feo ihany izy ireo. Akory ny hatairany taorian’izany fa tena zazakely mitomany mitady nono mafy amin-dReniny tokoa ilay ren’izy ireo ka nampandrenesiny vy hatrany ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Noraisin’ny Fokontany ao an-toerana moa ilay zaza ary fantatra fa salama tsara tsy misy ahiana ny toe-pahasalamany. Tsiahivina fa somary nahazo vahana indray ny fanariana zaza menavava teto amintsika tato anatin’ny tapa-bolana izao. Zazavavy kely avokoa ny ankamaroan’izy ireny ary sendra olona tsara sitrapo avokoa.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT