ZAZA LASAN’NY RANO TAO TOAMASINA

Namoy ny ainy, tsy fantatra ny fianakaviany


  • Zoma 15 Martsa 2024

Zazakely iray tombanana eo amin’ny 2 na 3 taona eo ho eo no lasan’ny rano

tao Toamasina omaly folakandro. Teo amin'ny tetezan'i Vererie sy Mangarivotra no tazan'ny olona izy io ka nifamonjena hoy ny loharanom-baovao saingy efa tsy nisy fofon’aina intsony. Iretsy voalohany indray nandritra izany no tonga nanatitra ny vatana mangatsiakan’ilay tsy manan-tsiny tao amin'ny Hopitaly Bethania Toamasina . Tsy mbola hita moa ny fianakavian’io zaza maty io hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay. Tsiahivina fa ny tranga tahaka izao dia mahavoasaringotra ny mpitaiza ilay zaza foana, indrindra fa ny Reniny. Fanontaniana mipetraka araka izany ny hoe : inona no nataon’ity zaza mbola tsy mahalala izay hahafaty azy ity teny amoron-drano ? tsy nisy ve ny fanaraha-maso sa dia fanahianiana tsotra izao ?... Andrasana ny fanadihadiana hataon’ny mpitandro ny filaminana.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay zaza lasan’ny rano izay tombanana ho vavikely !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT