Tsy manadino ireo zanaky ny polisy lavo am-perinasa beazina sy karakaraina ao amin’ny toby fitaizana zaza kambotin’ny polisim-pirenena ao Ambatolampy ny
vondrona Star amin’izao fiatombohan’ny taom-pianarana vaovao 2017-2018 izao. Kits scolaire, nahitana kitapo, kahie, miisa 100 no natolony ny tompon’andraikitry ny ivontoerana tamin’izany niampy bodofotsy miisa 100 ho an’ireo ankizy kamboty. Tonga nanolotra izany tany an-toerana ny sekretera jeneralin’ny vondrona Star Rtoa Anna Rabary ny faran’ny herinandro teo. Tsiahivina fa vokatry ny fangatahana nataon’ireo vadina polisy lavo am-perinasa tamin’ny repoblika voalohany no nahafahana nanorina ity toerana fitaizana zaza kambotin’ny polisy ao Ambatolampy ity. Taorian’ny nahafatesan’ny vadin’izy ireo mantsy dia tsy nanana fahafahana ny namelona samy irery ireo menaky ny ainy intsony izy ireo. Nanomboka nandray anjara tamin’ny fanampiana ireo ankizy kamboty ireo, araka izany, ny vondrona Star ny taona 2015 ka zavatra maro no efa natolony toy ny kilalao, ny fitaovam-pianarana, ny zava-pisotro miankina amin’ny vanim-potoana misy. Marihina fa miisa 73 ireo ankizy zanaky ny polisy beazina ao amin’ity ivontoerana iray ao Ambatolampy ity ankehitriny, mianatra toy ny ankizy rehetra any am-pianarana, manaraka fitsipi-pifehezana ihany koa…Tafiditra ao anatin’ny asa sosialy hiantsorohan’ny vondrona Star avokoa izany rehetra izany, indrindra fa ny fanampiana ireo tena sahirana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.