ZAZA HITA FATY TAO BETSINJAKA TOLIARA

Ahiana ho ny Reniny na ny havany no nahavanon-doza


  • Talata 23 Janoary 2024

Zazalahy kely efa tsy nisy fofon’aina intsony mbola nanao atina patalohakely

niaraka tamin’ny lamba nandrakofana azy no nisy nandevina nanoloana ny EPP Betsinjaka Toliara II omaly Alatsinainy 22 Janoary, tokony ho tamin’ny 07 ora maraina. Raha araka ny tombana dia manodidina ny 12 volana eo ho eo io zaza tsy manan-tsiny io. Ny tapany ambany no naleviny fa ny tapany ambony kosa nivoaka tety ivelany, antony nahitana ny razana. Mbola nisy ny fialana nenina nataon’ny tompon’andraikitra taorian’ny fizahana nataon’izy ireo saingy tombanana efa namoy ny ainy tamin’ny marainaben’ny omaly Alatsinainy na ny Alahady alina teo io zaza tsy manan-tsiny io. Na izany aza tsy nisy fahabangana ny vatany. Mbola tsy fantatra moa izay havany hany ka natao tao amin'ny biraon'ny kaominina Betsinjaka Toliara ny razana ary nalevina tao amin’ny fasana kristianina ao Toby Betela omaly hariva ihany . Araka ny tomban’ny mpanara-baovao dia mety ho ny Reniny ihany na ny havany akaiky no nahavanon-doza. Ny fanadihadiana hataon’ny mpitandro ny filaminana ihany anefa no tena hanamarina izany.
Nangonin’i Pati
Legende : Niboridana kely tahaka izao ny tapany ambonin’ilay zaza !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT