ZAZA 5 TAONA NENTINA NIVOAKA FA PORITRA

Naolan’ilay tovolahy mpiasan’ny hotely nisakafoanany


  • Alakamisy 21 Martsa 2024

Zava-doza ny nahazo ilay zazavavy kely tsy manan-tsiny iray vao 05 taona

monja niaraka tamin-dReniny niala tao Anjiamangirana Mahajanga hiazo an’Ambilobe ny 13 Martsa teo. Raha araka ny vaovao azo mantsy dia nijanona tamina hotely iray nisakafoanany atoandro izy ireo tamin’io andro io, tokony ho tamin’ny 02 ora folakandro. Poritra anefa ilay zaza ka nentina tovolahy iray mpiasan’ny hotely tany amin’ny trano fivoahana. Nosasan’io tovolahy io ihany koa izy nandritra izany izay vao naveriny tany amin-dReniny. Nanohy ny diany tsy tamin’ahiahy izy mianaka nandritra izany. Teny an-dalana anefa dia nitaraina ho naharary kibo ilay zaza no sady tsy nety nisakafo intsony. Tonga tany Ambilobe izy ireo ny datin’ny 14 Martsa saingy vao mainka niharatsy ny fahasalaman’ilay zaza. Rehefa nentin-dReniny tany amin’ny dokotera izy dia fantatra fa rovitra ny tatavian’ilay zaza vokatry ny fanolanana nihatra taminy. Ny datin’ny 18 Martsa teo moa no efa nametraka fitoriana ny Renin’ilay zaza ka efa voasambotra ilay tovolahy nahavanon-doza.
Pati
Legende : Mihamaro ireo zaza tsy manan-tsiny voaolana eto amintsika !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT