Zaza 2 maty natelin’ny rano

Nosamborina ilay Reniny


  • Zoma 15 Septambra 2023

Tsy mitsahatra maka ain’olona ny ranomasina tato ho ato. Zaza mianadahy iraitampo indray omaly no indray

natelin’ny rano teo amin’ny plage de la batterie Andaboy Toliara, tokony ho tamin’ny 11 ora atoandro . Vao 5 taona monja ilay zazalahy kely raha 3 taona kosa ilay zazalahy kely. Raha araka ny fantatra dia niaraka tamin-dReniny mba hanadio ny tenany teny an-dranomasina na handro no anton-dian'izy telo mianaka. Indrisy anefa fa fahafatesana no hita. Mbola nanonjabe mantsy ilay ranomasina ka tsy naharo tena izy mianadahy kely, hoy ny loharanom-baovao azo. Ilay Reniny kosa dia voalaza fa tafajanona teny amin’ny sisiny ka tsy naninona akory. Tezitra tamin’ity farany ny rehetra noho izany ka nosamborin’ny mpitandro ny filaminana izy mba hanaovana fanadihadiana. Adidiny rahateo raha araka ny lalana ny niambina sy nanara-maso ireo menaky ny ainy ireo. Mbola tsy mazava tsara moa ny tena antony nahafaty azy mianadahy kely ireto na nifanosika na tsia. Mpivarotra ao Antaninarenina moa no asan’ilay Ramatoa saingy rehefa tsy nandeha ny tsena dia nanita-kevitra namonjy ranomasina izy sy ireo zanany mianadahy ireo, hoy ny vaovao, saingy izao namoizany ireo menaky ny ainy izao no vokany.
Nangonin’i Pati
Legende : Efa nibontsina tahaka izao ny vatana mangatsiakan’izy mianadahy navoaka tao anaty rano !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT