Zaza 10 taona sy zandriny nisy nanolana

Very an-javony ny raharaha, hoy ny fianakaviana


  • Alakamisy 18 Janoary 2024

Zazavavy kely miisa 2, mpirahavavy iray tampoho,

no niharan’ny fanolanana miverimberina tamin’iny taona 2023 iny, tao Amontana, Fianarantsoa, raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Ilay zokiny 10 taona no tena nanamparan’ny lehilahy miisa 2 izany. Nataon’izy ireo aloha sy aoriana. Ilay zandriny kosa, nolalaovin’izy ireo ny fivaviany. Efa nisaraka ny ray sy renin’izy roavavy. Ny rain’izy ireo no miantoka azy ireo. Izy nanasa ny akanjon’izy mirahavavy no nahita rà tamin’ny atin’akanjo. Teo no nanomboka ny fanontaniana azy mirahavavy. Zareo moa noferan’ireo nanao ny herisetra tsy hiteniteny izay nanjo azy ireo. Ny 9 desambra teo no natao ny famotorana. Hatreto, mitaraina ny fianakaviana fa voarirarira. Mampalahelo ny zava-misy eto Fianarantsoa, hoy ny fianakaviana. Manasa ny tomponandraikitra isan-tsokajiny mba hijery ity tranga ity. Nanao kilasy mandry tao amin’ny “Maîtresse” na mpanabe azy ireo izy 2 vavy kely ho fanaraha-maso kokoa ny fianaran'izy ireo. Nanao fifanarahana izy sy ny dadany tamin'izany satria koa hono tsy niteraka ilay “Maitresse”. Naolan'ny sipan’i “Maîtresse” sy ny zanak'anadihin’i “Maitresse” ilay zazavavy kely zokiny. Simba tanteraka ny fivaviany. Aloha sy afara nataon'izy ireo avokoa, hoy ity fianakaviana ity mitantara. Naka “certificat médical” na sertifika mikasika ny fahasalamana dia milaza ny fahasimbana tamin’ny voalohany. Nasaina naverina indray dia hoe virijiny. Efa nisy kolikoly tao. Tsy niditra na dia “violon”, izany hoe fiazonana vonjimaika am-ponja ireo olona ireo fa dia mbola any mandehandeha any. Miandry “parquet” na fampanoavana, hono. Malahelo ny fianakaviana manana ny simba na ny amin’ny mety ho fahasalaman’ny zaza ka manasa ny filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ireo tomponandraikitra voakasika rehetra mba hijery ity tranga ity fa mahonena, hoy hatrany ny fitarainan’ireo fianakaviana.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT