ZAZA 10 TAONA SAIKA VOAOLANA

Notambazan’ilay tsy mataho-tody 1.000 Ar


  • Talata 12 Martsa 2024

Lehilahy lehibe iray efa niala pataloha ny harivan’ny Zoma 08 Martsa

teo tokony ho tamin’ny 07 ora no tratra saika hanolana zazavavy kely vao 10 taona monja tao an-dakozia tao Manakana Lokoho, distrikan’i Sambava. Niditra tampoka ny Renin’ilay zaza nandritra izany ka vetivety dia tratra ilay Rangahy. Nilaza ity farany fa tsy nanolana io zaza io fa sitrapon’izy ireo, hono , no niaraka rehefa nohadihadian’ny sefom-pokontany izay nantsoin’ny Renin’ilay zaza nampahafantarina ny tranga voalohany. Efa nomeko vola 1.000 Ar izy hoy ilay Rangahy ho takalon’izany. Efa naterin'ny sefom-pokontany tany amin'ny biraon'ny Ben'ny tanàna moa ilay rangahy ka andrasana ny zandary izay handray azy mba hahafahana manokatra fanadihadiana. Efa mandeha araka ny rafitra tokony hitondrana azy ny raharaha hatramin’ny omaly fotoana nanoratanay ny vaovao. Vao kilasy T2 moa ity zaza saika voaolana ity izay marihina fa mampigadra ny mpanolana mandrapahafaty raha voaporofo satria mbola latsaky ny 15 taona.
Nangonin’i Pati
Legende : Misy trangana fanolanana matetika koa eto Sambava !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT