Taona maloka ho an’ny sehatry ny zavakanto ity taona 2016 hivalona afaka andro vitsy ity. Tsy mamoha fotamandry fa maromaro ihany ireo mpanakanto nodimandry tamin’ity taona ity.
Anisan’ireny ny nahalasana tampoka an-dRabesaiky Guillaume Marie na i Om-Gui, Filoha mpanorina ny tarika Ny Ainga, izay namoy ny ainy teo amin’ny faha-53 taonany vokatry ny lozam-pifamoivoizana tany Tombontsoa Antsirabe ny 5 jona 2016. Hanatanteraka fampisehoana tany Manandona ny tarika Ny Ainga tamin’io fotoana io. Nodimandry teo amin’ny faha-65 taony, ny 31 oktobra teo i Andriamparany Solomaniraka Michel na i Doudou Michel, rehefa notsaboina noho ny aretina nahazo azy tao anatin’ny andro vitsivitsy. Teo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika dia vao tsy ela akory izay fa ny 8 desambra teo no nodimandry teo amin’ny faha-56 taonany Razafindrakoto Gérard na “Randrenja” no nahalalan’ny maro azy tamin’ilay andian-tantara malaza hoe : “Malok’ila”. Lasibatry ny homamiadan’ny tsinay izy ary efa nialana nenina nandritra ny volana vitsivitsy, saingy tsy tana ny ainy. Andro vitsy taorian’izay dia nodimandry teo amin’ny faha-71 taonany ihany koa i Prosper Ralaiarimanana, fantatra teo amin’ny tontolon’ny fitendrena zava-maneno “Piano” ary mpandrindra sy mpihira tao amin’ny Tarika Solika. Maro ireo mpanakanto nodimandry tamin’ity taona ity fa ny fahalasanan’ireo andrerezina ireo no tena nisongadina, ka ny hirariana dia mba ho taom-pahombiazana ny 2017, ka hivalona hiaraka aminy ny andro mainty eo amin’ny sehatry ny zava-kanto Malagasy.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.