Tsy tokony ho volam-bahoaka, ny eto no mila hatsaraina ! »
Tsy fiovan’ny fitondrana fotsiny ny Fanavaozana ny Repoblika, hoy ny Kolonely Michaël Randrianirina, Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, nandritra ny lahateny nataony teo anatrehan’ireo mpianatra tao amin’ny Akademian’ny Filoha ao Moskoa, any Rosia, ny alarobia lasa teo. Ity sekoly ity izay miompana manokana amin'ny fanofanana sy fanomanana tanora rosianina ho lasa mpiasam-panjakana sy tomponandraikitra ambony. Nohazavainy politika kasainy hotanterahina mba hanarenana ny Fanjakana malagasy, indrindra amin’ny fananganana fitantanan-draharaham-panjakana azo itokisana, haingana ary mahay mamaly ny fivoaran’ny teknolojia. Niresaka momba ny fitantanana ny raharaham-panjakana amin’izao vanim-potoanan’ny teknolojia vaovao sy ny faharanitan-tsaina artifisialy (intelligence artificielle) izao ny tenany, ka nanasongadina ny maha-zava-dehibe ny fanavaozana ny fomba fiasan’ny fitantanan-draharaham-panjakana manoloana ny fahasarotana sy ny faharetan’ny dingana ara-pitantanan-draharaha, izay mety hiteraka fahataran’ny fampandrosoana sy hanome vahana ny kolikoly. "Isan’ny olona nolovaina tamin’ny fanjanahantany ireo", hoy izy. Noho izany, "isan’ny traikefa tian’i Madagasikara halaina amin’i Rosia ny fanomanana dieny mbola tanora ireo ho mpitarika sy mpitantana ny raharaham-panjakana". Maro ireo mpiasam-panjakana ambony malagasy kasaina halefa hiofana any amin’ity akademia ity. Nasongadin’ny PRRM araka izany ny fampiasana ny nomerika ho fitaovana hanatsarana ny fitantanan-draharaham-panjakana, izay efa nahitana vokatra tsara. Isan’ny nanaitra sy nisongadina ihany koa moa ny nilazan’ny PRRM, fa tsy tokony hampiasain’ny Minisitra sy ny mpiasam-panjakana handefasana ny zanany hianatra any ivelany ny volam-bahoaka. Ny sekoly eto Madagasikara no tokony hatsaraina mba hahafahan’ny zanaky ny mpitondra sy ny olon-tsotra misitraka fanabeazana manara-penitra. Ara-diplaomasia, nankasitrahany manokana ny endriky ny fiaraha-miasa eo amin’i Rosia sy Madagasikara. Araka ny nambarany, "tsy manery an’i Madagasikara hanaraka ny politikany na ny foto-keviny i Rosia, fa mizara fomba fiasa kosa, izay azo ampifanarahina amin’ny soatoavina sy ny kolontsaina malagasy, indrindra ny fihavanana". Omaly kosa, taorian'ny fanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny Fihaonambe ara-toekarena sy maha-olona andiany fahatelo, natao teto Gostiny Dvor, Moscou, dia nasain'ny Filohan'ny Federasionin'i Rosia, Vladimir POUTINE, hiaraka hisakafo aminy tao amin'ny Lapan'i Kremlin ireo Filoham-pirenena sy ny Filoham-panjakana ary ny Lehiben'ny delegasionina rehetra. Nahazo fanasana manokana tamin'izany ihany koa ny PRRM RANDRIANIRINA Michaël sy Ramatoa vadiny. Nialohan’izay no nandraisany manokana tsirairay ireo nasaina ho fanomezam-boninahitra sy ho fiarahabana azy ireo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.