Niverina an’i am-ponja ny
depiote Ninah sy ny zanany iray
Nalevina omaly tao Antanimasaja Mahajanga i Nina Tanjona, zanaky ny depiote teo aloha Rahantanirina Lalao na Nina. Naneho ny alahelony lalina noho ny fahalasanan-janany lahy i Nina. Nambarany fa tena mafy aminy ny mandao zanaka. Na dia eo aza ny tsy fitovian-kevitra ara-politika misy amin’izao fotoana izao, nisaotra ny Fitondrana ihany koa izy, indrindra ny PRRM, noho ny famelana azy hivoaka ny fonja sy hanatrika ny fandevenana ny zanany. Nohamafisiny fa tena mankasitraka izany fahafahana nomena azy izany izy. « Eto izahay dia mankasitraka feno ny fitondram-panjakana mahefa tarihan'ny filoham-pirenena tamin'ny famelana an'ny ramatoa Nina sy ny zanany lahy hanontrona feno ny fanitrihana sy fanaovam-beloma farany ny zanany lahy matoa. Olona iray ihany isika ary manaja ny soatoavina maha Malagasy antsika ka misaotra indrindra tompoko », hoyireo fianankaviany. Taorian’ny fandevcenana, avy hatrany dia nihazo an'ny Maevatanana ka namonjy ny fonja izay nametrahana azy ny depiote Nina sy ny Zanany lahy, rehefa nahazo halalana avy tamin'ny fitondram-panjakana hanatrika izany izy mianaka. Natao izao fampitam-baovao izao, hoy ny fianakaviana mba hialana amin'izay mety fandikana vilana sy ny tsaho mety ahely.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.