raha manao tandrametaka eo isika»
Tsy afaka hifehy amin’ny herin’ny tenantsika samirery ireo harena lazaina fa hananantsika be dia be ireo isika satria nosy, hoy ny mpamakafaka fiainam-pirenena, Eric Randrianaivo. Tsy afaka ny hiolonolona isika, hoy izy, fa ilaintsika ny fiaraha-miasa amin’ireo firenen-dehibe manam-pitaovana sy traikefa ary azo atao koa hoe manam-bola hahafahana mitrandraka ny harena eto amintsika. Tsy midika akory izany hoe hitady mpanjanaka vaovao isika satria raha ny azo atao hoe mpamatsy sy mpampiasa vola niaraka tamintsika hatramin’izay dia ireo firenena tandrefana. Nampimenomenona ny malagasy ireo satria 60 sy 65 taona aty aoriana dia nahitantsika vahaolana loatra. Tsy nahitantsika tena fahaleovantena na fiovàna teto amin’ilay firenena loatra dia tsy maintsy mikaroka ilay vahaolana hitondra any amin’izay fandrosoan’ny firenena izay ny mpitondra mitantana ny firenena ankehitriny. Azo atao hoe filozofian’ilay fitondràna rahateo ny hitondra any amin’izay fanavaozana izay dia manavao isika na fifandraisana ara-diplaomatika na amin’ireo firenen-dehibe samihafa, indrindra, fa ny fifandraisana ato anatin’ny firenena misy antsika. Izay indrindra no iresahana ny fikaonandoham-pirenena izay tsy hoe tsy hita fa miandry ireo kipitsopitsony izay tsy maintsy arafitra sy arindra mba tsy hiverenan’ny zava-misy tany aloha intsony. Efa nisy foana ny dinika politika tany aloha. Efa nisy foana ny fikaonandoha, ny fihaonambem-pirenena, ny dinika nasionaly sy ny tahaka izany tany aloha fa nitondra inona ho an’ilay firenena? Aoka, noho izany, mba tsy atao kimaimaika izy ity fa mba ho marim-pototra. Ny fikaonandoham-pirenena rahateo nankinina amin’ireo raiamandreny am-panahy ao amin’ny FFKM, izay manana ny atao hoe fahendrena satria manana tsara ny tsy fitanilàna. Tsy maintsy tandremana io fa tsy teren-ko masaka toa voalobo-jaza satria mandeha ambony atody izao ny firenena. Hiverina indray ny krizy raha manao tandrametaka eo isika. Nametraka ny atao hoe minisitera misahana ny fanavaozana ny fanjakàna. Singa iray anatin’io ny fikaonandoham-pirenena. Io izany no mitàn-tsoroka ny fikaonandoham-pirenena ary efa nametraka rafitra isaky ny faritra ny fitaleavam-paritra misahana ny fanavaozana. Efa nandeha foana ny fanentanana nataon’ireo fitaleavam-paritra ireo eny anivon’ny fiarahamonina eny tao anatin’izay 10 volana nijoroany izay. Miara-miasa akaiky amin’ny FFKM ireo. Ny fiantsoana ny tsirairay handray anjara amin’ny fikaonandoham-pirenena dia tena adidy masina satria samy tompon’antoka amin’ny firenena ny olon-drehetra na mandroso io na mihemotra. Tsy misy afaka mifanilika andraikitra eto fa samy tomponandraikitra eto amin’ity firenena ity, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.