Hanasongadina ny
fahaiza-mamorona Malagasy, ny nomerika,...
Hitohy amin’ny andiany fahatelo ny hetsika Creative Minds Madagascar, hiompana amin’ny lohahevitra hoe « From Madagascar to the World » (Miainga avy amin'i Madagasikara mivelatra amin’izao tontolo izao). Tanjona ny hanasongadinana ireo talenta sy ny fahaiza-manao Malagasy, ary hampiroboroboana ny sehatry ny indostrian'ny famoronana eto amin’ny firenena. Fantatra sy niainga tamin'ny tontolon'ny "digital", saingy miampy sy mivelatra amin'ny fanomezana lanja ny asa famoronana ivelan'ny nomerika amin'izao, raha ny fanazavan'i Bezandry Bezandry Heritiana Michael, mpikarakara, isan'ireo niketrika ny Creative Minds, nandritra ny fampahafantarana ny hetsika tao amin'ny efitrano malalaky ny ESTI Antanimena, omaly. Taorian’ny andiany roa teo aloha dia mbola manamafy ny ezaka ataony ny Creative Minds Madagascar, amin’ny alalan’ny fampahafantarana ny fahasamihafan’ny talenta Malagasy, fampiroboroboana ny fihaonana sy ny fiaraha-miasa, ary fampitomboana ny lazany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Hisy ny hetsika lehibe roa amin’ny volana desambra. Voalohany, ny Creative Week, izay hotanterahina ny 4 hatramin’ny 6 desambra 2026, eny amin’ny ESTI Antanimena. Mandritra ny telo andro, hisy fampirantiana, fihaonana, fanandramana ary fifaninanana momba ny famoronana, izay hifantoka amin’ny fandaharan'asa roa lehibe: Ny H1-1-SANA, natokana ho an’ny zavakanto sy ny famoronana tsy nomerika. Hisongadina amin’izany ireo mpanakanto, mpanao asa tanana ary mpamorona, amin’ny alalan’ny fampirantiana, fampisehoana ny fahaiza-manao ary fifaninanana famoronana. Ho an’ny 2MORROW kosa dia hifantoka amin’ny famoronana nomerika. Ahitana fifaninanana roa izany, dia ny TSY TONGA VOLY, izay miompana amin’ny famolavolana lalao video, sy ny STORM, izay fifaninanana famoronana atao mivantana, "game Jam", fifaninanana jeux vidéos hanasana ireo tanora manan-talenta mamorona "jeux vidéo" Malagasy ahafahany mampahafantatra sy hahafantaran'ny Malagasy ny asa tanany ; ny "Creative Jam" izay fifaninanana ho an'ireo designers. Ny Creative Gala kosa no hamarana ny andiany fahatelo, ny 11 desambra 2026, natokana hankalazana sy hankasitrahana ireo talenta Malagasy izy io, amin’ny alalan’ny Creative Minds Awards amina lohahevitra 11 : Meilleur événement de l'année, Meilleur site web de l'année, Meilleure application mobile, Meilleure agence digitale, Meilleure campagne de marketing digital, Meilleur corporate film, Meilleur producteur de musique, Meilleur illustrateur digital, Meilleur studio de l'année, Meilleur créateur de contenu digital, Meilleur rising talent
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.