Raharaha

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be


  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

Potehina i Gilles Daheron,

miantso handihana lalina ireo porofony
Taorian’ny fihaonana tamin’ny Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Fananan-tany ary ny Talen’ny Kabinetra, dia nametraka taratasy fitarainana tamin’ny alalan’ny mpisolovava azy eny anivon’ny sampan-draharaha misahana izany ao amin’ity minisitera ity i Gilles Daheron. Nampiarahiny tamin’izany ireo porofo sy antontan-taratasy mifandraika amin’ny raharaha momba ny Résidence d’Ampasikely, izay lasa Moya Beach tatỳ aoriana, ao Nosy Be. Nohamafisiny tamin’izany ihany koa ny fitakiany. Araka ny fanazavany, tsy nivarotra tany sy trano tamin’iza na iza izy, fa ny orinasa na ny « fonds de commerce » ihany no namidiny tamin’i Patrice Lagrue, rehefa tsy afaka nanohy ny fitantanana izany izy noho ny fitsaboana nataony tany ivelany. I Patrice Lagrue kosa no voalaza fa nivarotra izany fandraharahana izany tamin’ireo mpivady mitantana ny toerana amin’izao fotoana izao. « Tsy afaka mivarotra fananana izay tsy ahy aho », hoy i Patrice Lagrue tamin’ny fanadihadiana mikasika ny trano sy fototrafitrasa. Nohamafisin’i Gilles Daheron fa ny « droit au bail » efa azony ara-dalàna no takiany haverina aminy, satria nafindra tamin’olon-kafa tatỳ aoriana izany. Izy no nanao ny fanajariana sy ny fampandrosoana ny toerana na « mise en valeur », ka nandany vola tamin’izany. Na izany aza, ireo mpivady nividy ny fandraharahana tamin’i Patrice Lagrue indray no lasa nahazo izany. Tsy nisy fifanarahana na taratasy manamarina fa namidiny tamin’ireo mpivady lasa nahazo izany ny fananany. Ny fandraharahana ihany no namidin’ilay mpiara-miombon’antoka (Patrice Lagrue) nifanaraka taminy, nandritra ny fotoana tsy naha-teo azy. Nambarany ihany koa fa efa nisy tatitra nataon’ny sampan-draharaha misahana ny fitondrana tsara tantana sy ny ady amin’ny kolikoly, na « cellule de la bonne gouvernance et de la lutte contre la corruption », teo anivon’ny Minisiteran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Fananan-tany teo aloha, saingy tsy mbola fantatra anefa ny tohiny hatramin’izao. Ankehitriny, voaheloka sy voasazy ho mpisoloky hatrany amin’ny Fitsarana Tampony i Gilles Daheron. Nambarany ihany koa fa mbola miatrika fitoriana sy fandrahonana samihafa izy, ary misy famoronana dosie entina hamotehana azy. Ny famerenana ny « droit au bail » sy zony ara-dalàna tamin’ny fanajariana no takiany satria nafindra tamin’olon-kafa ny « bail » kanefa izy tsy nisintaka na nanao « désistement » tamin’izany. Noho izany, mangataka ny handinihana mazava ny raharaha sy ny hifotorana amin’ny porofo izy. Efa nametraka fangatahana PIL (Pourvoi dans l’intérêt de la loi) eny anivon’ny Minisiteran’ny Fitsarana ihany koa i Gilles Daheron, mikasika ny fanamelohana azy ho mpisoloky. Miandrandra sy miantso am-panajana ny fandraisana andraikitra ara-drariny sy ny fandinihana ireo antontan-taratasy ary porofo napetrany, araka izany, i Gilles Daheron, na eo anivon’ny Minisiteran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Fananan-tany, na eo anivon’ny Minisiteran’ny Fitsarana.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

Hijery ny tohiny
FTT