Nomen'ny HCC fahefana hanenjika ny PAC
Nivoaka ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC mikasika ny fahafahan'ny tendrom-pitsarana miady amin'ny kolikoly na ny PAC mitsara ireo olona ambony, mpitondra teo aloha. Marihina fa nampiato ny raharaha ny PAC noho ny fakana ny hevitry ny HCC. Azo tsaraina eny amin'ny PAC ireo voarohirohy, raha ny valin-tenin'ny HCC. Nambaran’ny HCC fa ny didim-panjakana momba ny fahaverezan’ny zom-pirenena malagasy an’i Andry Rajoelina (noraisin’ny Praiminisitra teo aloha, Herintsalama Rajaonarivelo, tamin’ny volana desambra 2025) dia tsy misy fiantraikany miverina na « rétroactif » amin’ny lasa amin’ny maha-ara-dalàna ireo asa sy fahefana mifamatotra amin’ny andraikiny amin’ny maha-Filohan’ny Repoblika azy, ka ahafahana manenjika azy tsara amin’ny heloka sy raharaha hanenjehana azy. “Ny tombontsoa manokana amin’ny fitsarana izay ananan’ireo tompon’andraikitra ambony voatanisa ao amin’ny andininy faha-133 ao amin’ny Lalàmpanorenana dia tsy mihatra amin’ireo asa tsy mifandray amin’ny fanatanterahana ny andraikiny, toy ny asa sokajiana ho kolikoly na ireo fandikan-dalàna mitovitovy amin’izany”, hoy ny HCC, ka azon’ny PAC na Fitsarana tsotra henjehina sy tsaraina i Andry Rajoelina noho ny heloka momba ny kolikoly sy ireo fandikan-dalàna. Tsy mifanohitra amin’ny voalazan’ny andininy faha-131 ao amin’ny Lalàmpanorenana, izay mamaritra fa ny Filohan’ny Repoblika dia azo tsaraina eo anatrehan’ny Fitsarana Avo HCJ (Haute Cour de Justice), ny raharaha efa natomboka teo anivon’ny Fitsarana miady amin’ny kolikoly momba an’i Andry Rajoelina. Nohamafisiny fa ireo asa ireo, izay sokajiana ho kolikoly na fandikan-dalàna mifandraika amin’izany, dia “natao mba hanomezana fahafaham-po ny tombontsoa manokana, ary azo sarahina ara-materialy amin’ny fanatanterahana ara-dalàna ny andraikitry ny filoham-pirenena”.
DOSIE MARO…
Voalohany amin'ireo raharaha ny Filoha teo aloha Andry Rajoelina, henjehina amin'ny resaka kolikoly sy fanodikondinam-bolam-panjakana ary ny raharaha "fonds souverains malagasy" raha ny efa nambaran'ny PAC. Miaraka dosie aminy amin'io ny Minisitry ny Fitantanam-bola teo aloha Rindra Hasimbelo Rabarinarison. Eo ihany koa ny Praiminisitra teo aloha Ntsay Christian, noho ny fanodikondinana volamena 36 kg izay mahadaringotra azy miaraka amin'ny Minisitry ny harena an-kibon'ny tany teo aloha Fidiniavo Ravokatra, izay ny dosie volamena nivadika vy moa no azo hamehezana ny dosie izay tena goavana. Ao anatin'io ihany koa ny Sekretera Jeneralin'ny Minisiteran'ny Harena an-kibon'ny Tany teo aloha Imbiki Herilaza, noho ny raharaha fanodinkodinana volamena 36 kg raha ny efa voalazan'ny PAC. Tahaka izany ihany koa ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena teo aloha Marie Michelle Sahondrarimalala, noho ny resaka fividianana dabilio araka ny nambaran'ny PAC hatrany. Mbola voarohirohy ihany koa amin'ny tsenambaro-panjakana 85 miliara Ar hafa mampiahiahy azon'ny orinasa nanao ny dabilio, ka tafiditra ao anatin'izany i Andry Rajoelina. Ankoatra ireo dia dosie hafa isan'ny goavana ny afera boeing 777 izay voatononona sy nangatahana hampidirina anatin'ny fanenjehana i Andry Rajoelina sy Ntsay Christian, raha efa tsy afaka-bela ry Valery Ramonjavelo sy Jeneraly Ravalomanana Richard izay efa voaheloka 10 taona an-tranomaizina noho ny raharaha herisetra tamin'ny tolom-bahoaka ny taona 2025, Mbola mandray roa ny dosie ho an’i Mamy Ravatomanga izay sady voahenjika ara-pitsarana eto Madagasikara ka anisan’ny lohalaharana amin’ny raharaha boeing 777 noho izy voapanga ho tompon’ny orinasa nanao ny fomba nahazoan’ireo fiaramanidina nalefa tany Iran tamin’ny alalan’ny laharam-pamatarana Malagasy, no mbola migadra sy mibaby fiampangana goavana any Maurice,… Zary roritina amin’ny hoe valifaty politika moa ny fanenjehana ara-pitsarana mikasika ny raharaha maro ka moa sahy hiteny ve ireo mpiaro ny fitondrana teo aloha fa tena nadio ireo fitantanana ? Tsy mitombina ve ohatra ny volam-panjakana 4000 miliara nanjavona sy very ho an’ny 2025 fotsiny ? Andrasana ny tohiny sy fivoaran'ireo raharaha goavana, ary irariana tsy hiampita ny fomba ratsy araka ilay tenin’ny PRRM Kolonely Randrianirina Michael hoe : « fandrodanana ny kolikoly no nitolomako fa tsy hamerina ny kolikoly », ka enga anie na iza na iza mbola mamerina amin’izao fitondrana fanavaozana izao dia tena tsy hananana hena-maso tokoa !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.