Ny Antsa Rakotobe

«Betsaka ny lesona


  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

tamin’ny 31 oktobra 1991»

Ny 31 oktobra 1991, izay daty ho tsaroana afaka andro vitsy, dia nisiana fifanarahana politika teto Madagasikara, hoy ny filohan’ny vehivavy eo anivon’ny vovonana KFIM sady mpahay tantara, Ny Antsa Rakotobe. Io moa ilay nantsoina hoe «Convention Panorama» na fifanarahan’ny Panorama, izay tena vokatrana dinika politika, hoy izy. Voaresaka tao ny fiaraha-mitantana na «inclusivité» sy ny fanatanterahana ny notakiana tamin’ny tolona. Eo koa ny resaka rafitra. Inona no lesona azo noraisina tamin’izany? Tsy mitovy ny zava-misy tamin’izany sy ankehitriny. Mbola nadio kokoa ny fanaovana politika tamin’ny 1991 angamba! Ny filohan’ny fanavaozana moa nilaza fa tsy hiditra amin’ny dinika politika intsony satria hoe sao fizaràna seza fotsiny? Tokony azo atao foana angamba ny fifanarahana politika fa ny iantsoana azy no tokony ifanarahana tsara. Ny filohan’ny fanavaozana efa nilaza fa any amin’ny fikaonandoham-pirenena no andinihana ny zavatra rehetra. Andao atao izany ny fikaonandoham-pirenena! Misy toko telo mahamasa-nahandro be izao efa mikarakara ny fikaonandoham-pirenena izao. Alefaso dien’izao ny serasera mafy dia andao isika rehetra sy ny mpanao politika hanohana ny hevintsika sy hiady ho an’ny hevintsika any! Misy azo raisina foana ny dinika efa vita. Raha tamin’izany no napetraka ny fandraisan’anjaran’ny rehetra na «inclusivité» dia amin’ity izany ao anatin’ny fikaonandoham-pirenena no ametrahana izany. Tsy misy miteny koa nefa hoe tsy misy izany «inclusivité» izany amin’izao. Misy izany izao saingy ny itondràna azy no tsy mitovy. Tsy hoe asiana TIM kely dia HVM kely dia AREMA kely na SIAP kely fa «inclusivité» ara-kevitra no tokony atao tanjona. Fandraisana anjaran’ny rehetra ara-kevitra no tokony atao tanjona. Manana ny fotokevitra ijoroany tsinona ny antoko sy vondrona rehetra. Vahaolana foana ny fampandraisana anjara ny rehetra anatina odidina na «contexte» toy izay iainantsika ankehitriny. Tsy fantantsika intsony tsinona izao hoe mifototra amin’ny inona no itantanantsika ny firenena? Marina fa raisin’ny fianakaviambe iraisampirenena ny ambasadaorontsika, raisiny ny diplaomatintsika, izany hoe, mandeha tsara ny fifandraisana ara-diplaomatika, nefa ny SADC tonga eto dia miteny hoe miverena amin’ny lalàmpanorenana. Tsy maintsy lalàmpanorenana nefa no ifotorana amin’izay ka izany no ilàna an’ilay fampandraisana anjara ara-kevitra ny rehetra ho atao fototr’izany. Hanorina ifotony isika. Nisy tolona nitakiana an’izany ka any amin’ny fikaonandoham-pirenena izany no hitakiana izay mbola tsy vita. Vao ny ampahany vitsivitsy tamin’ny notakiana tamin’ny tolona tsinona izao no vita. Efa namoaka fehinkevitra, ohatra, ny fikaonandohan’ny tanora. Nisy koa ireo vovonana sy antoko maromaro nanao ny anjarany. Ny KFIM dia mbola manohy ny fitakiany hatramin’izao. Isany ny fitakiana fandravàna antenimieram-pirenena sy CENI. Aiza ho aiza ny fikarakaràna ilay fikaonandoham-pirenena? Efa nahazo fiofanana daholo ve ireo hoe mpanelanelana notadiavin’ny FFKM? Manao ahoana ny fanentanana ny any amin’ny fokontany? Ahoana no ahafantaran’ny olona any Mangerivola, kaominina Anjamany, distrikan’i Brickaville, fa misy izany fakàn-kevitra izany ho atao eto amin’ny firenena raha tsy dieny izao no atao ny fampahafantarana? Ny filohan’ny fanavaozana mihitsy no mahita fa vahaolana ho an’i Madagasikara ny fikaonandoham-pirenena ka iantsoana ny rehetra. Ny dinika politika tamin’ny 1991 izany azo avaozina ho fikaonandoham-pirenena. Ny resaka fampandraisana anjara ny rehetra azo atao mifantoka amin’ny resaka hevitra. Toy izany koa ny resaka fitakiana tanaty tolona mba ho any amin’ny fikaonandoha no samy hanohana ny heviny. Betsaka ny lesona tamin’ny 31 oktobra 1991, hoy hatrany ity mpahay tantara ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

Hijery ny tohiny
FTT