ZAVA-PISOTRO VITA AMIN’NY COLA

Miala any ny Racines vokarin’ny Star


  • Zoma 15 Martsa 2024

Betsaka ireo olona mihinana Cola eto amintsika indrindra fa ny lehilahy.

Antony nanaovan’ny orinasa Star famoronana sy fikarohana manokana izany ka nanamboarainy zava-pisotro mifandraika amin’ izany izay nampahafantarina ny mpanao gazety omaly teny amin’ny foiben-toerany eny Andraharo. Racines no anarany izay zava-pisotro vita amin’ny COLA. Maro be ireo karazana zava-pisotro toy ny dite, na ranom-boankazo na koa ny « smoothie » izay vita avy amin’ny Cola hankafizin’ny olona eto amintsika ka tafiditra ao anatin’izany ny mpifankatia. Zava-pisotro na « cocktail » ahitana tahan’alikaola 5,5% izy ity ka ankoatra ny Cola izay nanamboarana azy dia ahitana singa fangarona Artemesia ihany koa ao anatiny. Zava-pisotro avy amin’ny zava-maniry araka izany ny RACINES izay porofoin’io anarana nampitondraina azy io. Efa tazana eny amin’ny mpivarotra mahazatra manomboka amin’ity herinandro ity moa io karazana zava-pisotro io amin’ny vidiny 2500 Ar.
Pati
Legende : Miala any ny Racines, zava-pisotro vaovaobe vita avy amin’ny Cola !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT