ZAVA-PISOTRO

MAMPATANJAKA VAOVAO


  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Miala any ny vokatra Fosa

Mampitombo hatrany ny marika ananany ny STAR amin’ny alalan’ny FOSA, zava-pisotro mampatanjaka vaovao, vita malagasy 100%, mahery ary manana toetra feno tanjaka. Aingam-panahy avy amin’ny fosa, biby manana ny maha-izy azy izay tsy hita afa- tsy eto Madagasikara. Ny FOSA dia manasongadina toe-tsaina mahery sy sahisahy, natao ho an’ireo izay mitady hery eo noho eo sy fientanam-po mahery vaika.Anaty fonosana canette 50 cl sy manana endrika manaitra ny FOSA. Misy ireo akora mampatanjaka mandritra ny fotoana maharitra izy raha ny fanazavana azo toy ny taurine, ny vitamina ary kafeina. Izany rehetra izany dia azo jifain’ny rehetra amin’ny vidiny 5 000 Ariary, izay maneho ny fahavononan’ny STAR hanolotra zava-pisotro mampatanjaka mety amin’ny besinimaro. Notanterahina afak'omaly Sabotsy 02 May ny fampahafantarana tamim-pomba ofisialy ny FOSA, nandritra ny fisehoany voalohany amin’ny maha mpanohana ofisialy ny fifaninanana run, Drag Racing Mada, azy. Nanamarika ny fihaonana teny amin’ny Avenue de l’Indépendance Analakely ity zava-pisotro vaovao ity, ary efa mipetraka sahady ho marika matanjaka sy feno angovo. Ho hita manerana ny tanana izy amin'izao fiandohany izao. Aorian’izay dia hivelatra tsikelikely eny amin’ireo toeram-pivarotana manerana ny Nosy ny FOSA, arahana serasera isan-karazany goavana. Amin’ny alalan’ny FOSA moa dia mikendry ny hanavao sy hampiakatra ambaratonga hatrany ny famokarana zava-pisotro mampatanjaka eto Madagasikara ny Star amin’ny fananganana marika malagasy vaovao, izay sady mahery no mety amin’ny rehetra. Pati
Légende : Ny lehilahy amin'ny ankapobeny no tena mankafy ny Fosa !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

Hijery ny tohiny
FTT