Tovolahy roa izay voalaza fa iraitampo no tratra nitsindrona zava-mahadomelina mahery vaika tao an-tokantranony tetsy Ampefiloha ny faran’ny herinandro teo.
21 taona sy 24 taona izy ireo, voasambotry ny mpitandro ny filaminana teo akaikin'ny tranony ihany. Mbola tratra teny amin'izy ireo nandritra izany ny seringue iray fampiasany amin’izao fomba ratsiny izao. Efa maro moa ny fitarainana vorain'ny Polisy mahakasika ireto tovolahy ireto hoy hatrany ny vaovao. Fantatra kosa fa tsy mahazo aina mihitsy izy roalahy ireto raha tsy mitsindrona tahaka izao isan’andro izany hoe : efa tena miankin-doha mihitsy. Efa manana mpamatsy mihitsy izy ireo ka ny tena mampanahy ny mponin’Ampefiloha dia ny hanomezany maodely ratsy ireo tovolahy mitovy taona aminy manodidina azy ka mety hampirongatra ny tsy fandriampahalemana eny amin’iny faritra iny.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy roalahy iraitampo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.