Nampivarahontsana sy nampalahelo ny zava-niseho teny Ankaditapaka-Ankadifotsy ny takarivan’ny alarobia 18 oktobra tokony ho tamin’ny 7 ora.
Olona mianaka no indray maty kilan’ny afo tao amina tokantrano kely iray teny an-toerana. Voalaza fa tsy mbola natory izy ireo, fa teo am-pikarakarana sakafo no niseho tampoka ny loza satria nirehitra ny tao an-trano. Tsy tafavoaka anefa izy mianaka, izay ramatoa lehibe iray sy ny zanany lahy, ka may kila ary dia namoy ny ainy tao.
Nihitsoka ny varavarana
Izy mianaka irery no tao an-trano fa ny fianakaviana kosa any Antsirabe. Raha ny fanadihadiana natao dia ny hamafin’ny hidin-trano no tombanana ho tsy nahafahan’izy ireo nanavotra ny ainy. Tsy toy ny karetsaka mahazatra mantsy ny hidin-trano, fa bilao mbola mila haodina avy any anatiny, ka tombanana ho tsy hita intsony ny fomba hakana ny “clé” manokana famahana noho ny efa firehetana tao anatiny, na koa tsy nanam-potoana nanaovana izany intsony izy mianaka noho ny efa fidedaky ny afo, izay nanempotra sy nandoro tanteraka azy ireo. Hatramin’ny fitafiana teny an-kodiny aza levon’ny afo. Nahonena ny nahita ny razana izay hotohoton’ny afo tanteraka, ary azo hakana sary an-tsaina ny fijaliana niainan’izy mianaka nialoha ny nahafatesany. Raha ny fanadihadiana natao tamin’ny olona mahafantatra azy mianaka ireto moa dia nidonam-pahoriana vao haingana izy mianaka satria vao fotoana fohy no nahafaty ny vadin’ilay ramatoa. Nivarotra teny Ampefiloha no fameloman-tenan’izy mianaka ireo, ary somary sahirana ara-pivelomana raha ny fanampim-baovao azo, hany ka na ny mpiara-monina aza nisy ny somary nanilikilika azy ireo. Raha tsy misy ny fiovana dia anio no hitondrana ny vatana mangatsiakan’izy mianaka kely any an-tanindrazany any Antsirabe. Ny Gazety Tia Tanindrazana dia miombom-po sy mirary fiononana ho an’ny fianakaviana sy ny olona akaiky azy mianaka ireto.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.