Actualités

Zava-doza tany Ambatosoratra Ny ray aman-dreny variana nifety, zanaka efa maty ho hita


  • Alakamisy 29 Jona 2023

Nampalahelo sy nandratra fo ny zava-nitranga tao Ambatosoratra nandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena 26 Jona teo.

Toy ireo olona sasany dia lasa namonjy ny fetin’ny 25 jona tany ivelan’ny tanàna ny Ray aman-dRenin’ireo zaza roa izay manodidina ny 2 sy 5 taona. Mpifankatia nivahiny tao amin’izy ireo no nametrahana ireo tsy manan-tsiny ireo ka lasa izy mivady. Zava-doza anefa no nitranga taorian’izay. Tsy hita tao an-trano ny iray tamin'ireo zaza natory ary voalaza fa efa lasa koa ireo mpifankatia niambina azy ireo. Nanomboka teo ny fikarohana ity farany ka tany Ankenihenibe manodidina ny 10 km atsinanana Antokazo kaominina Manakambahiny Antsinanana no nisy nahita ilay ramatoa izay nivahiny tao amin'ilay tokantrano. Ny talata 27 jona maraina teo kosa vao hita ilay zaza saingy efa vatana mangatsiaka tao anaty rano sisa. Hiakatra fampanoavana anio alakamisy ilay vahiny raha araka ny loharanom-baovao azo hatrany.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT